FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.9 1
  • 2-8 Septambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2-8 Septambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.9 1

2-8 SEPTAMBRA

SALAMO 79-81

Hira 29 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Asehoy hoe Tianao ny Anaran’i Jehovah Be Voninahitra

(10 min.)

Halaviro ireo fanao manala baraka an’i Jehovah (Sl 79:9; w17.02 9 § 5)

Antsoy ny anaran’i Jehovah (Sl 80:18; ijwbv 3 § 4-5)

Omen’i Jehovah valisoa be dia be izay tia ny anarany ka mankatò azy (Sl 81:13, 16)

Rahalahy iray manolotra karatra jw.org amin’ny mpiara-miasa aminy, mandritra ny fiatoana.

Hahazo voninahitra i Jehovah noho ny fitondran-tenantsika raha ampahafantarintsika ny olona hoe Vavolombelon’i Jehovah isika

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 80:1: Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mpiandry be fitiavana izy rehefa misy olona iray manalavitra ny fiangonana? (w20.06 25:10)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 2:8-10 (th 10)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 4:4)

5. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 4:3)

6. Miresadresaha Aloha

(2 min.) AMPAHIBEMASO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 3:3)

7. Rehefa Miverina Mitsidika

(5 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly indray ny olona iray tsy nety nianatra teo aloha. (lmd 8:3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 10

8. “Hanamasina ny Anarako Izy Ireo”

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Nanomboka nanala baraka ny anaran’i Jehovah i Satana tao amin’ny zaridainan’i Edena. Izao ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra tsy maintsy raisin’ny olombelona sy ny anjely rehetra, nanomboka teo: Hanamarina ny anaran’i Jehovah ve izy ireo sa tsia?

Eritrereto ny sasany amin’ireo lainga ratsy be aelin’i Satana momba an’i Jehovah. Mpitondra masiaka sy lozabe, hono, i Jehovah. (Ge 3:1-6; Jb 4:18, 19) Lazainy koa fa tsy tena tia an’i Jehovah ny mpanompony. (Jb 2:4, 5) Olona an-tapitrisany mihitsy aza no voataonany ka lasa mino hoe tsy i Jehovah no namorona an’ireo zavatra tsara tarehy manodidina antsika.​—Ro 1:20, 21.

Inona no tsapanao rehefa maheno an’ireny lainga ireny? Azo inoana hoe te hiaro an’i Jehovah ianao. Efa fantatr’i Jehovah fa te hanampy azy hanamasina ny anarany ny mpanompony. (Ampitahao amin’ny Isaia 29:23.) Inona no azonao atao?

  • Ampio ny olon-kafa mba hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia azy. (Jn 17:25, 26) Isaky ny mahita hirika ianao, dia miresaha porofo mampiseho hoe tena misy izy ary ampianaro momba ny toetrany tena tsara ny olon-kafa.​—Is 63:7

  • Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo. (Mt 22:37, 38) Asehoy hoe te hampifaly an’i Jehovah ianao matoa mankatò ny didiny, fa tsy hoe satria mahasoa anao fotsiny izany.​—Oh 27:11

Sary: Nalaina avy tao amin’ilay video hoe “Aza Avela ho Levona Mihitsy ny Fitiavanao... Na Mafy aza ny Mahazo Anao any Am-pianarana.” 1) Mipetraka eo amin’ny dabilio i Ariel, dia misy ankizilahy mpiara-mianatra aminy manondro azy sady miteny hoe fa maninona izy no tsy manangan-tsaina. 2) Manao fianarana samirery izy, dia mampiasa Baiboly sy ny lesona 61 ao amin’ilay boky hoe “Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly.” 3) Ao an-dakilasy izy ary mitsangana eny aloha, dia manazava amin’ny mpiara-mianatra aminy ny zavatra inoany. 4) Manome sigara elektronika an’i Diego ny mpiara-mianatra aminy. 5) Manao fikarohana amin’ny tablette-ny izy. 6) Mitsikitsiky izy mivoaka ny sekoly ary mahatsiaro ho afa-po.

Alefaso ilay VIDEO hoe Aza Avela ho Levona Mihitsy ny Fitiavanao... Na Mafy aza ny Mahazo Anao any Am-pianarana. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Ahoana no niarovan’i Ariel sy Diego ny anaran’i Jehovah?

  • Fa maninona ry zareo no te hiaro an’i Jehovah?

  • Ahoana no azonao anahafana an-dry zareo?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.01 1:1-9

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 4 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara