FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.9 9
  • 28 Oktobra–3 Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 28 Oktobra–3 Novambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.9 9

28 OKTOBRA–3 NOVAMBRA

SALAMO 103-104

Hira 30 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Tsy Hadinony hoe Vovoka Ihany Isika”

(10 min.)

Be fangorahana i Jehovah ka izany no mahatonga azy hahay handanjalanja (Sl 103:8; w23.07 32:5)

Tsy manary antsika i Jehovah rehefa manao fahadisoana isika (Sl 103:9, 10; w23.09 37:16-18)

Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy (Sl 103:14; w23.05 24:2)

Milaza ny fihetseham-pony amin’ny vadiny ny vehivavy iray. Mihaino tsara azy ilay vadiny.

SAINTSAINO IZAO: ‘Mahay mandanjalanja hoatran’i Jehovah ve izaho rehefa mifandray amin’ny vadiko?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 103:13, 14: Inona no ataon’i Jehovah noho izy mahafantatra tsara ny olombelona? (w22.06 24:5)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 5:1-3 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd 3:4)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Iaraho midinika amin’ny olona anankiray nanaiky hianatra Baiboly ilay video hoe Faly Hiara-mianatra Baiboly Aminao Izahay. (th lesona 9)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 6: Foto-kevitra: Tokony ho “Tia ny Vadiny Tahaka ny Tenany ny Lehilahy Tsirairay.” (th lesona 1)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 44

7. Tadidio fa Voafetra ny Mety ho Vitanao

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Faly i Jehovah rehefa ny tsara indrindra no omentsika azy, ary mahafaly antsika koa izany. (Sl 73:28) Mety hiady saina sy ho diso fanantenana anefa isika, raha miezaka ny hanome ny tsara indrindra nefa manadino hoe misy fetrany ihany ny mety ho vitantsika.

Anabavy tanora iray ao amin’ilay video hoe “Izay Azonao Atao Ihany Ifantohana dia Hahavita Be Ianao.”

Alefaso ilay VIDEO hoe Izay Azonao Atao Ihany Ifantohana dia Hahavita Be Ianao. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Inona no antenain’i Jehovah amintsika? (Mi 6:8)

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Izay Azonao Atao Ihany Ifantohana dia Hahavita Be Ianao.” Ilay anabavy tanora teo ihany. Mampahery mpianatra Baiboly iray ao amin’ny trano fisakafoana iray izy sy ny namany.
  • Inona no nanampy an’ilay anabavy tanora mba tsy hiady saina be loatra amin’ilay hoe hanatratra tanjona?

AHOANA NO HAHAFANTARANTSIKA NY FETRAN’NY METY HO VITANTSIKA?

  • Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa. (Ga 6:4) Tsy voatery hanao an’izay ataon’ny hafa ianao. Aza mieritreritra koa hoe: ‘Vitan’ny hafa ve dia tsy ho vitako!’ Mety hahavita betsaka kokoa na kely kokoa noho ny olona anankiray mitovitovy taona aminao ianao, na mitovitovy andraikitra ara-pianakaviana aminao

  • Aza mianina amin’izay zavatra efa mahazatra anao. (Ro 12:1; 1Ko 7:31) Aza matahotra manandrana endri-panompoana anankiray na dia eritreretinao aza ilay izy amin’ny voalohany hoe mety tsy ho vitanao na tsy ho tianao.​—Ml 3:10

  • Mametraha tanjona mora tratrarina mba hahitanao ny fetran’ny mety ho vitanao. Mety hahavita hanao mpisava lalana maharitra ve, ohatra, ianao? Maninona raha manandrana mampitombo ny fotoana anompoanao, na manao mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana maromaro? Sa afaka manao mpisava lalana maharitra mandritra ny herintaona ianao? Tsy anenenanao mihitsy ny hanatratra an’ireo tanjona ireo, na dia hitanao aza avy eo hoe tsy ho vitanao ny hanao mpisava lalana maharitra na ny hanohy an’izany mihoatra ny herintaona.​—Mpto 6:9

  • Miezaha hampifanaraka an’izay ataonao amin’izay zava-mitranga eo. Mety hiova ny fiainantsika, dia mety hiova hoatr’izany koa ny fetran’ny mety ho vitantsika. Diniho matetitetika àry hoe mbola mety ve ilay tanjonao

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.02 6:1-9

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 3 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara