FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.11 9
  • 30 Desambra 2024–5 Janoary 2025

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 30 Desambra 2024–5 Janoary 2025
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.11 9

30 DESAMBRA–5 JANOARY

SALAMO 120-126

Hira 144 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Israelita falifaly erỳ mijinja varimbazaha.

Falifaly ireo Israelita nody tany amin’ny taniny rehefa nijinja, satria notahin’i Jehovah ny asa mafy nataon’izy ireo

1. Nitomany Izy Ireo Rehefa Namafy, fa Nihoby Kosa Rehefa Nijinja

(10 min.)

Faly ny Israelita rehefa nafahana avy tany Babylona mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio (Sl 126:1-3)

Mety ho nitomany ireo niverina nody tany Jodia satria nila nanao ezaka be (Sl 126:5; w04 1/6 16 § 10)

Naneho fikirizana ry zareo dia nahazo fitahiana (Sl 126:6; w21.11 47:17; jereo ny sary, pejy 1)

Israelita miasa mafy mamboly eo amin’ny taniny. Miasa tany ny lehilahy iray, moa ny iray mamafy voa.

SAINTSAINO IZAO: Aorian’ny hanafahana antsika avy amin’ity tontolo efa tranainy ity amin’ny Aramagedona, dia inona avy ny zava-tsarotra mbola hatrehintsika rehefa hamerina ny tany ho paradisa isika? Inona avy ny fitahiana ho azontsika?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 126:5: Inona ny soa raisintsika raha miezaka manatratra tanjona isika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza? (w23.05 24:10)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 7:1-3 (th 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd 3:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Nilaza ilay olona tamin’ianao nitory taminy hoe misalasala izy raha azo inoana ny Baiboly. (lmd 9:5)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 16:1-3, fampidirana (lmd 11:3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 155

7. Tsy Andrinao ve ny Hahatanterahan’ny Fampanantenan’Andriamanitra?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Notanterahin’i Jehovah ny fampanantenany tamin’ilay vahoaka natao sesitany tany Babylona. Nanafaka azy ireo izy ary namela ny fahotana nataony taloha. (Is 33:24) Niaro azy ireo sy ny biby fiompiny tamin’ny liona sy ny bibidia hafa koa izy. Nihabetsaka mantsy ireny rehefa lasa aolo ilay tanànan’izy ireo. (Is 65:25) Samy nanao ny tranony izy ireo dia nipetraka tao, ary nihinana ny vokatra avy tamin’ny tanimboalobony. (Is 65:21) Nitahy ny asan’izy ireo Andriamanitra, ary ela velona izy ireo.​—Is 65:22, 23.

Sary avy amin’ilay video hoe “Mampanantena Fiadanana Andriamanitra: Ampahany.” Sary: 1) Rahalahy sy anabavy miara-misakafo eny ivelany. 2) Sarina tendrombohitra sy ala tazanina avy eny ambony. 3) Daniela natsangana tamin’ny maty dia mandeha any anaty ala. 4) Mpivady mamihina ny zanany vavy avy natsangana tamin’ny maty. 5) Takelaka hazo feno voankazo sy legioma eo amboniny. 6) Riandrano.

Riandrano: Maridav/stock.adobe.com; tendrombohitra: AndreyArmyagov/stock.adobe.com

Alefaso ilay VIDEO hoe Mampanantena Fiadanana Andriamanitra: Ampahany. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Ahoana no ahatanterahan’ireo faminaniana ireo amin’izao andro izao?

  • Ahoana no hahatanterahan’izy ireo ao amin’ny tontolo vaovao?

  • Inona amin’ireo no tena tsy andrinao ny hahatanterahany?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.03 10:10-18

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 41 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara