23-29 DESAMBRA
SALAMO 119:121-176
Hira 31 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Ahoana no Azo Isorohana Ratram-po?
(10 min.)
Tiavo ny didin’Andriamanitra (Sl 119:127; w18.06 17 § 5-6)
Ankahalao ny ratsy (Sl 119:128; w93 15/4 17 § 12)
Mihainoa an’i Jehovah, ary aza manaonao foana hoatran’ny olona “tsy dia nahita fiainana” (Sl 119:130, 133; Oh 22:3)
SAINTSAINO IZAO: ‘Inona avy ny ezaka tokony hataoko mba hahatonga ahy ho tia kokoa ny didin’Andriamanitra, na ho tena hankahala ny ratsy?’
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Sl 119:160: Tokony ho resy lahatra ny amin’inona isika raha io andininy io no jerena? (w23.01 1:2)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
(4 min.) hf 6:11-13 (th 2)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) ISAN-TRANO. (lmd 1:5)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. Atoroy an’ilay olona hoe ahoana no hahitany fanazavana mety hahaliana azy ao amin’ny jw.org. (lmd 8:3)
6. Rehefa Mampianatra
(5 min.) Miresadresaha amin’ny mpianatra Baiboly iray manapatapaka fivoriana. (lmd 12:4)
Hira 121
7. Aza Avela Hanimba Anao ny Vola
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mifofotra mitady vola ny olona tia vola. ‘Manindrona ny tenany manontolo amin’ny zavatra maro mampanaintaina’ ny olona hoatr’izany. (1Ti 6:9, 10) Hitantsika eo ambany ny sasany amin’ny zavatra mampanaintaina hahazo antsika, raha ohatra isika tia vola ary lasa zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika ny vola.
Lasa tsy mifandray tsara amin’i Jehovah isika.—Mt 6:24
Tsy ho afa-po mihitsy isika.—Mpto 5:10
Ho mora voan’ny fakam-panahy isika, ohatra hoe handainga, hangalatra, ary hamitaka. (Oh 28:20) Raha manao ratsy anefa isika, dia henjehin’ny eritreritsika, ho ratsy laza, ary tsy hankasitrahan’Andriamanitra intsony
Vakio ny Hebreo 13:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:
Ahoana no tokony hiheverantsika ny vola raha te hisoroka ratram-po isika, ary nahoana?
Na dia tsy tia vola aza isika, dia mety hijaly ihany raha tsy mahay mitantam-bola.
Alefaso ilay KISARISARY hoe Te Hahay Hitantam-bola ve Ianao? Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
Nahoana isika no tokony hanao teti-bola, ary ahoana no fanaovana an’ilay izy?
Nahoana no tsara raha mba manana tahiry?
Nahoana no tsy fahendrena ny mitrosa tsy amin’antony?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) w22.03 10:1-9