16-22 DESAMBRA
SALAMO 119:57-120
Hira 129 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Inona no Hanampy Anao Hiaritra Fahoriana?
(10 min.)
Vakio sy ianaro foana ny Tenin’Andriamanitra (Sl 119:61; w00 1/12 14 § 3)
Avelao hanatsara ny toetranao ilay fitsapana mahazo anao (Sl 119:71; w06 1/9 14 § 4)
Angataho i Jehovah mba hampionona anao (Sl 119:76; w17.07 13 § 3, 5)
SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana avy no efa nanampian’i Jehovah ahy hiaritra ny fahoriana mahazo ahy?’
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Sl 119:59, 60: Nahoana no hahavita hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika raha mampihatra ny Salamo 119:59, 60? (w22.02 9:16)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) FITORIANA ISAN-TRANO. Asehoy an’ilay olona ny tranonkalantsika, ary omeo karatra jw.org izy avy eo. (lmd 2:5)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) FITORIANA TSY ARA-POTOANA. Asao hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro ilay olona. Asehoy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? (aza alefa), ary iaraho midinika avy eo. (lmd 8:3)
6. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(5 min.) Fampisehoana. lff 26:1-3: Foto-kevitra: Nahoana no misy zava-dratsy sy ny fijaliana? (lmd 3:3)
Hira 128
7. Manampy Antsika Hiaritra i Jehovah
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mahavita mizaka zava-tsarotra na fahasahiranana nefa tsy kivy be ny hoe miaritra. Midika koa izy io hoe tsy mivadika sy manana toe-tsaina tsara foana ary manantena fa mbola hihatsara ny fiainana, na eo aza ny fitsapana. Raha miaritra isika, dia tsy ‘hihemotra’, na hampihena ny fanompoantsika an’i Jehovah, rehefa misy olana. (He 10:36-39) Mitady fomba hanampiana antsika foana mantsy i Jehovah.—He 13:6.
Soraty eo ambanin’ny andininy tsirairay eto ambany ny fomba anampian’i Jehovah antsika hiaritra.
Alefaso ilay VIDEO hoe Mivavaha Mafy ho An’ireo Mpiara-manompo Miatrika Olana. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
Ahoana no azontsika ampiasana ny jw.org mba hahafantarantsika hoe inona avy ny olana atrehin’ny mpiara-manompo amintsika?
Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiofanana ny zanany mba hivavaka ho an’ny hafa, ary inona ny soa azon’izy ireo avy amin’izany?
Nahoana no zava-dehibe ny mivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika mba hampian’i Jehovah hiaritra izy ireo?
Nahoana no manampy antsika hiaritra an’izay mahazo antsika ny mivavaka ho an’ny hafa?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) w22.02 9:9-18