FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.01 1
  • 6-12 Janoary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 6-12 Janoary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.01 1

6-12 JANOARY

SALAMO 127-134

Hira 134 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Ry Ray Aman-dreny, Karakarao Tsara Foana Ilay Lova Sarobidy Nomena Anareo

(10 min.)

Afaka matoky ny ray aman-dreny hoe hanampy azy ireo hikarakara ny ankohonany i Jehovah (Sl 127:1, 2)

Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny zanaka (Sl 127:3; w21.08 30:9)

Ampiofano mifanaraka amin’izay ilainy ny ankizy tsirairay (Sl 127:4; w19.12 26 § 20)

Raim-pianakaviana mampianatra ny zanany mianadahy kely amin’ilay bokikely hoe “Andao Hianatra Baiboly!” Alain’izy dahy sary an-tsaina ry zareo milalao elefanta sy rajako any amin’ny Paradisa.

Ankasitrahan’i Jehovah ny ray aman-dreny rehefa miantehitra aminy sady manao izay tsara indrindra vitany mba hikarakarana ny zanak’izy ireo

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 131:1, 2 : Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny Sl 131:1, 2? (w21.07 29:6)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 7:4-6 (th 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd 1:3)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Miresaka zavatra iray inoany ilay olona, nefa mifanohitra amin’ny Baiboly ilay izy. (lmd 5:4)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 16:4-5. Resaho amin’ilay mpianatra hoe ahoana no anohizana ny fianarany rehefa tsy eo ianao. (lmd 10:4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 13

7. Ry Ray Aman-dreny, Ampiasao Ilay Fitaovana Fampianarana Mandaitra

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mamoaka zavatra be dia be ny fandaminana mba hanampiana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany momba an’i Jehovah. Ny modely omen-dry zareo foana anefa no anisan’ny mandaitra indrindra mba hampianarana ny zanany.​—De 6:5-9.

Nampiasa an’io fitaovana mandaitra io i Jesosy mba hampianarana ny mpianany.

Vakio ny Jaona 13:13-15. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Araka ny hevitrao, nahoana no nandaitra ilay fomba fampianaran’i Jesosy hoe izy mihitsy no nanome modely?

Misy heriny kokoa amin’ny ankizy ny zavatra ampianarin’ny ray aman-dreny raha tsy mpitari-bato vilam-bava ry zareo. Handrisika ny zanany hihaino sy hankatò an’izay ampianariny koa izany.

Sary: Nalaina avy tao amin’ilay video hoe “Modely ho An’ny Zanakay Izahay.” 1) Ry Garcia mianakavy, ao anaty fiara, handeha hivory. 2) Avy nivory ry Garcia dia mipetraka misakafo eo an-databatra sady miresadresaka. 3) Ajanon’ny Rahalahy Garcia kely aloha ny fianarany samirery, dia miresaka amin’ny zanany vavy iray izy. 4) Rahalahy sy Ranabavy Garcia, miresaka amin’ny zanany vavy iray dia mampiasa Baiboly mba hampisaintsainana azy.

Alefaso ilay VIDEO hoe Modely ho An’ny Zanakay Izahay. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona avy ny lesona lehibe nampianarin’ny Rahalahy sy Ranabavy Garcia ny zanany vavy?

  • Nahoana io video io no mandrisika anao hanome ohatra tsara ho an’ny zanakao foana?

Ny modely omenao no hampianaranao ny zanakao mba...

  • hahay hanapa-kevitra momba ny fialam-boly sy ny zava-pisotro misy alkaola ary ny tambazotran-tserasera

  • hanao voalohany ny zavatra ara-panahy foana

  • ho tia sy hanaja vady any aoriana any

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.03 11:1-9

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 49 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara