FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.3 1
  • 3-9 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3-9 Martsa
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.3 1

3-9 MARTSA

OHABOLANA 3

Hira 8 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Asehoy hoe Matoky An’i Jehovah Ianao

(10 min.)

Aza matoky tena fa aleo matoky an’i Jehovah (Oh 3:5; ijwbv lahatsoratra 14 § 4-5)

Matokia an’i Jehovah ka tadiavo sy araho ny tari-dalany (Oh 3:6; ijwbv lahatsoratra 14 § 6-7)

Aza matoky tena be loatra (Oh 3:7; w23.09 37:10)

Anabavy tanora manao fikarohana ao amin’ny tablette-ny momba ny tanjona azony tratrarina. Misy boky momba ny fianarana azony atao eo ankaviany. Misy fangatahana hahafahany manitatra ny fanompoany eo ankavanany, dia misy taratasy manazava momba ny Betela.

SAINTSAINO IZAO: ‘Mitady ny tari-dalan’i Jehovah foana ve aho isaky ny hanao zavatra?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 3:13-18: Ahoana ny fiheveranao ny fahendrena omen’i Jehovah? (w22.10 43:19)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 9:7-9 (th 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Miezaha mamaly fanoherana fahita eny amin’ny faritany. (lmd 1:5)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) AMPAHIBEMASO. Resaho amin’ilay olona ny momba ny tranonkalantsika, dia omeo karatra jw.org izy avy eo. (lmd 3:3)

6. Lahateny

(5 min.) w21.05 18:15-16: Foto-kevitra: Asehoy hoe Matoky An’Andriamanitra Ianao Rehefa Tsy Raharahian’ny Olona ny Hafatra Torintsika. (th 20)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 124

7. Asehoy hoe Matoky ny Fandaminan’i Jehovah Ianao

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mety ho mora ihany ny matoky ny tari-dalana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly. Mety ho sarotra kokoa anefa ny matoky ny tari-dalana avy amin’ny olombelona tsy lavorary notendren’i Jehovah hitarika eo anivon’ny fandaminana, indrindra raha hoe tsy azontsika tsara ilay izy na hoe tsy mety amintsika.

Vakio ny Malakia 2:7. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana isika no tsy gaga hoe mampiasa lehilahy tsy lavorary i Jehovah mba hitarika ny vahoakany?

Vakio ny Matio 24:45. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana isika no afaka matoky ny tari-dalana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah?

Vakio ny Hebreo 13:17. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana isika no tokony hanohana ny fanapahan-kevitr’izay atokisan’i Jehovah hitarika antsika?

Rahalahy manatitra sakafo ho an’ny fianakaviana iray. Manao maska daholo ry zareo, dia mifampikopakopa-tanana avy lavitra.
Anabavy manome valin-teny any am-pivoriana. Mitazona mikrô ho an’azy ny rahalahy iray. Manao maska daholo ny mpanatrika.

Alefaso ilay VIDEO hoe Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2021) #9: Ampahany. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana ny tari-dalana azontsika nandritra an’ilay valanaretina no mahatonga anao hatoky kokoa ny fandaminan’i Jehovah?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.04 16:1-6

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 37 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara