FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.3 9
  • 28 Aprily–4 Mey

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 28 Aprily–4 Mey
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.3 9

28 APRILY–4 MEY

OHABOLANA 11

Hira 90 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Aza Miteny Hoatr’izany!

(10 min.)

Aza miteny zavatra mety hanimba ny namanao (Oh 11:9; w02 15/5 26 § 4)

Aza miteny zavatra mampisara-bazana (Oh 11:11; w02 15/5 27 § 2-3)

Aza mamoaka tsiambaratelo (Oh 11:12, 13; w20.03 12:13)

Rahalahy roa mifampiresaka ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Manakiana rahalahy hafa manatona an-dry zareo ny iray amin’izy roa lahy.

SAINTSAINO IZAO: Nahoana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 6:45 no manampy antsika tsy hanao teny mandratra?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 11:13 : Ahoana no ampisehoantsika hoe mahay mandanjalanja isika na dia miahy ny hafa aza? (w22.09 38:8)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 2:6 (th 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Mitadiava hirika hiresahana momba ny zavatra nianaranao vao haingana tany am-pivoriana. (lmd 2:4)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Mampisehoa video avy ao amin’ny Fitaovana Fampianarana. (lmd 8:3)

6. Rehefa Mampianatra

(4 min.) AMPAHIBEMASO. Asao hianatra Baiboly ilay olona, ary atoroy azy ny fanaovana an’ilay izy. (lmd 10:3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 157

7. Aza Miteny Zavatra Mety Handrava Fihavanana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Tsy lavorary isika, dia miteny zavatra tsy mety indraindray. (Jk 3:8) Raha eritreretintsika mialoha anefa hoe inona matetika no mampisy olana, dia hanampy antsika tsy hiteny zavatra hanenenantsika izany. Ireto, ohatra, no mety handrava ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana:

  • Matin-kambo. Midera tena ny olona hoatr’izany, dia mety hahatonga ny hafa ho tia mifaninana sy hialona.​—Oh 27:2

  • Tsy milaza ny marina. Tsy ny olona mandainga ihany no atao hoe tsy milaza ny marina, fa izay manao fanahy iniana milaza zavatra mamitaka koa. Na fitaka kely fotsiny aza dia efa mety hahatonga ny olona iray tsy hatokisan’ny hafa intsony, sady hanimba ny lazany.​—Mpto 10:1

  • Mifosafosa. Resadresaka tsy misy ilana azy, momba ny olona iray sy ny fiainany na zavatra tsy tokony ho fantatry ny olon-kafa, ny hoe mifosafosa. (1Ti 5:13) Mety hampiady sy hampisara-bazana izany.

  • Masiaka fiteny. Manampatra ny hatezerany amin’izay nahatezitra azy ny olona hoatr’izany, satria tsy mahafehy ny fihetseham-pony. (Ef 4:26) Mety handratra fo izany.​—Oh 29:22

Sary avy amin’ilay video hoe “ ‘Alao’ Izay Mety Tsy Hampihavana: Ampahany.” 1) Emily sy Saholy, mipetraka mifanatrika any amin’ny fisotroana kafe. Saholy, mijery ny zavatra napetrak’i Annie ao amin’ny tambazotran-tserasera. 2) Annie, tezitra be mihitsy miresaka amin’i Saholy eo amin’ny parking-n’ny Efitrano Fanjakana.

Alefaso ilay VIDEO hoe ‘Alao’ Izay Mety Tsy Hampihavana: Ampahany. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Fa maninona no hoe mety ho mora handrava ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana ny zavatra lazaintsika?

Jereo ilay hoe ‘Mitadiava Fihavanana ka Tandrovy Izany’, mba hahitana an’izay nataon-dry zareo mba hihavanana indray.

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.05 20:1-9

Teny Famaranana (3 min.) | Hira Vaovao Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2025 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara