FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.5 3
  • 19-25 Mey

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 19-25 Mey
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.5 3

19-25 MEY

OHABOLANA 14

Hira 89 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Eritrereto Tsara Daholo Izay Ataonao Rehefa Misy Loza Mitranga

(10 min.)

Tandremo sao mino an’izay “teny rehetra” henonao (Oh 14:15; w23.02 9:10-12)

Aza manaiky hobaikoin’ny fihetseham-po fotsiny, na miantehitra amin’ny traikefa azonao tamin’ny zava-nitranga taloha (Oh 14:12)

Aza mihaino an’izay lazain’ny olona tsy manaiky ny tari-dalana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah (Oh 14:7)

Fianakaviana iray mijery Tele JW.

SAINTSAINO IZAO: Ry anti-panahy, vonona hanaraka tari-dalana sy hiantehitra amin’i Jehovah ve ianareo rehefa misy loza mitranga?​—w24.07 27:11.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 14:15: Inona avy no tokony hoeritreretinao alohan’ny hanapahana hevitra? (lff 35:2)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 3:1 (th 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. Miresaha hevitra avy ao amin’ny Baiboly amin’ny olona iray milaza hoe manahy momba ny vidim-piainana. (lmd 3:3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Manolora gazety miresaka zavatra nahaliana an’ilay olona tamin’ianareo niresadresaka farany. (lmd 9:4)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) Ampirisiho ilay mpianatra mba hamaky Baiboly isan’andro, ary atoroy azy hoe ahoana no hahavitany an’izany. (th 19)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 126

7. Miomàna Amin’ny Loza

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Ataon’ny anti-panahy. Resaho koa ny fampahatsiahivana avy amin’ny biraon’ny sampana sy avy amin’ny anti-panahy rehetra, raha misy.

Miaina amin’ny “andro farany” isika izao, ka vao mainka ampoizintsika hoe hitombo be ny loza. (2Ti 3:1; Mt 24:8) Matetika no mahazo toromarika ara-potoana sy mamonjy aina ny vahoakan’i Jehovah rehefa misy loza. Ho voaro isika raha mankatò dieny izao ka miomana tsara, izany hoe miezaka manatanjaka ny finoantsika sady manomana an’izay hilaina.​—Oh 14:6, 8.

  • Hatanjaho ny finoanao: Tokony hanana fahazarana ara-panahy tsara ianao. Hatsarao koa ny fahaizanao rehefa manao an’ireo karazana fanompoana fanaontsika. Miezaha ho tony foana raha tsy tafaraka amin’ny fiangonana ianao mandritra ny fotoana kelikely. (Oh 14:30) I Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy mantsy miaraka aminao foana.​—od-MG 175-176 § 15-17

  • Omano izay hilainao: Ankoatran’ilay kitapo fentina mitsoaka, dia tokony hanana tahirina sakafo, rano, fanafody, ary zavatra hafa ilaina ny fianakaviana tsirairay. Amin’izay ry zareo efa vonona raha tsy maintsy mijanona ao an-trano elaela.​—Oh 22:3; g17.5-MG 4

Ilay fianakaviana tao amin’ilay sary teo aloha, manomana ny zavatra mety hilaina rehefa misy loza.

Alefaso ilay VIDEO hoe Vonona ve Ianao Raha Misy Loza Mitranga? Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Ahoana no anampian’i Jehovah antsika rehefa misy loza?

  • Inona avy ny fiomanana azontsika atao?

  • Ahoana no azontsika anampiana an’izay tratran’ny loza?

SAINTSAINO IZAO:

‘Raha jerena ny loza nitranga tato ho ato, dia maninona aho no tokony hiomana mialoha ary inona daholo no mila omanina?’

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.05 21:11-20

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 27 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara