FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.5 9
  • 30 Jona–6 Jolay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 30 Jona–6 Jolay
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.5 9

30 JONA–6 JOLAY

OHABOLANA 20

Hira 131 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Tianareo Hahomby ve ny Fiarahanareo?

(10 min.)

Tadidio foana ny fiheveran’i Jehovah ny hoe mampiaraka (Oh 20:24, 25; w24.05 22:3-4)

Miezaha handinika an’ilay olona, na dia mbola tsy miaraka aza ianareo (Oh 20:18; w24.05 21:8)

Ataovy izay hifankahalalana tsara mandritra ny fiarahana (Oh 20:5; w24.05 22:7-8)

Olon-droa miaraka. Any amina fiarahana iray ry zareo. Mipetraka izy roa dia mifampiresaka mitokana. Misy mpiara-manompo vitsivitsy tazana erỳ aoriana erỳ.

TADIDIO IZAO: Ny fiarahana mahomby akory tsy voatery hoe miafara amin’ny fanambadiana foana. Mahomby kosa izany rehefa mety tsara ny fanapahan-kevitra noraisina.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 20:18: Ahoana no azonao ampiharana ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 20:18, rehefa misy manasa anao hampianatra hiaraka aminy? (w21.03 10:6)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 4:1, 2 (th 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) ISAN-TRANO. Miteny aminao ilay olona hoe vao haingana izy no tonga avy any an-tany hafa dia hipetraka atỳ. (lmd 3:3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) AMPAHIBEMASO. Iresaho momba ny programa JW Library ilay olona, dia ampio izy haka an’ilay izy ao amin’ny fitaovana elektronika ampiasainy. (lmd 9:5)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(4 min.) Fampisehoana. lff 25:1: Foto-kevitra: Fiainana Hoatran’ny Ahoana no Tian’Andriamanitra ho Antsika? (lmd 3:4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 78

7. Ampirisiho ny Hafa mba Hanandrana Hianatra Baiboly Miaraka Amintsika

(5 min.) Fiaraha-midinika.

Anisan’ny zava-dehibe indrindra amin’ny fanompoantsika ny manasa olona hianatra Baiboly. Tsy ho lasa mpianatr’i Jesosy mihitsy mantsy ry zareo raha tsy miara-mianatra Baiboly aminy isika! (Ro 10:13-15) Maninona àry raha atao tanjona ny hoe tonga dia manasa olona hianatra rehefa mitory isan-trano? Fantaro aloha hoe inona no mety hahaliana an’ilay tompon-trano. Asehoy azy avy eo hoe hahita ny valin’ny fanontaniany izy raha mianatra Baiboly, ary hanampy azy eo amin’ny fiainana izany.

Ilay hoe “Hanandrana An’ilay Fianarana” ao amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org.

Hanampy anao hanasa olona hianatra Baiboly ilay rohy hoe “Hanandrana An’ilay Fianarana”, ao amin’ny jw.org.

  • Ahoana no azonao ampiasana an’ilay hoe “Hanandrana An’ilay Fianarana” mba hanasana olona hianatra Baiboly?

  • Inona ny fomba hitanao hoe mandaitra mba hanasana ny olona eny aminareo hianatra Baiboly?

8. Zava-bitan’ny Fandaminana tokony halefa amin’ity volana Jona ity

(10 min.) Alefaso ilay VIDEO.

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.06 24:10-20

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 45 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara