FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.7 7
  • 18-24 Aogositra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 18-24 Aogositra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.7 7

18-24 AOGOSITRA

OHABOLANA 27

Hira 102 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Ny Soa ho Azonao Raha Tena Namana ny Namanao

(10 min.)

Sahy manome torohevitra anao ny tena namana rehefa mila an’izany ianao (Oh 27:5, 6; w19.09 5 § 12)

Ny tena namana no mety ho afaka hanampy anao kokoa noho ny havanao (Oh 27:10; it “Mpiara-monina” § 11)

Manampy antsika hanao ny tsara ny tena namana (Oh 27:17; w23.09 38:7)

Rahalahy tanora kokoa manampy rahalahy be taona hiresaka amin’ny dokotera.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 27:21​—Ny teny fiderana ataon’ny olona amintsika no ahitana hoe hoatran’ny ahoana marina isika. Hazavao. (w23.06 25:8)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) fg 5:5 (th 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Mpivavaka ilay olona fa tsy Kristianina. (lmd 6:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Mampisehoa video iray avy ao amin’ny Fitaovana Fampianarana (aza alefa). (lmd 8:3)

6. Lahateny

(5 min.) w25.02 8:5-6​—Foto-kevitra: Ahoana Raha Manao Zavatra Mampalahelo Ahy ny Namako? (th 14)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 109

7. “Rahalahy Natao Hanampy Amin’ny Fotoan-tsarotra”

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Afaka mahita namana tena tia antsika isika ao amin’ilay fianakaviambe iray maneran-tany nomen’i Jehovah antsika. Marina fa tsara fanahy amin’ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana isika. Firy amin-dry zareo anefa no tena namantsika akaiky? Ho mpinamana be amin’ny mpiara-manompo isika raha miezaka ny hahatakatra ny heviny sy hatoky azy, miresaka aminy an’izay ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika, manao zavatra miaraka aminy, ary tsara fanahy aminy. Mitaky fotoana sy ezaka àry ny hoe lasa mana-namana be sady mpinamana be foana.

Vakio ny Ohabolana 17:17. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana no tsara kokoa raha miezaka ny ho mpinamana be isika amin’izao, dieny mbola tsy manomboka ny fahoriana lehibe?

Vakio ny 2 Korintianina 6:12, 13. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana no manampy antsika hahazo namana ireo andininy ireo?

Sary avy amin’ilay video hoe “ ‘Misy Fotoanany avy ny Zava-drehetra’​—Mitaky Fotoana ny hoe Miezaka Hana-namana.” Lova sy Benja mipetraka eo ambony seza ao amin’ny kianja filalaovana baskety. Manome baolina baskety an’i Benja i Lova.

Alefaso ilay VIDEO hoe “Misy Fotoanany avy ny Zava-drehetra”​—Mitaky Fotoana ny hoe Miezaka Hana-namana. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Inona no nianaranao momba ny hoe namana tamin’iny video iny?

Hoatran’ny mamboly voninkazo ilay hoe miezaka hana-namana: Mila mamafy aloha, izany hoe mitsikitsiky amin’ilay olona, na miarahaba tsara azy. Mila manondraka indray avy eo, izany hoe miahy azy. Mila manam-paharetana anefa vao mahita an’ilay voninkazo maniry, dia hoatr’izany koa fa mila manam-paharetana ianao vao ho lasa mpinamana amin’ilay olona. Raha manao an’izany ianao, dia mety ho lasa mpinamana be mandrakizay ianareo.

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 4:1-4

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 2 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara