FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.7 8
  • 25-31 Aogositra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 25-31 Aogositra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.7 8

25-31 AOGOSITRA

OHABOLANA 28

Hira 150 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Inona no Tsy Itovizan’ny Ratsy Fanahy sy ny Olo-marina?

(10 min.)

Saro-tahotra ny ratsy fanahy, fa ny olo-marina be herim-po (Oh 28:1; w93 15/5 26 § 1)

Tsy mahay mitsara zavatra ny ratsy fanahy, fa ny olo-marina mahavita mandray fanapahan-kevitra tsara (Oh 28:5; it “Fahiratan-tsaina” § 9)

Misy vidiny kokoa ny olo-marina mahantra raha oharina amin’ny ratsy fanahy manankarena (Oh 28:6; w20.07 29:19)

Rahalahy iray any am-ponja. Mipetraka amin’ny tany izy, dia mijery ambony sady mivavaka.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 28:14​—Rahoviana isika no tsy tokony hatoky tena loatra? (w24.07 29:19)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) fg 5:6-7 (th 10)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Resaho hoe tsy hisy intsony ny ady sy ny herisetra indray andro any. (lmd 5:5)

5. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Resaho hoe tsy hisy intsony ny ady sy ny herisetra indray andro any. (lmd 5:4)

6. Miresadresaha Aloha

(2 min.) AMPAHIBEMASO. Resaho hoe tsy hisy intsony ny ady sy ny herisetra indray andro any. (lmd 1:4)

7. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Resaho hoe tsy hisy intsony ny ady sy ny herisetra indray andro any. (lmd 2:4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 112

8. Mankahala ny Herisetra ve Ianao?

(6 min.) Fiaraha-midinika.

Ankizilahy mafana fo be manao “jeu” video.

I Satana Devoly no nahatonga ny herisetra. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiantso azy hoe “mpamono olona.” (Jn 8:44) Nisy anjely be dia be koa avy eo nikomy niaraka tamin’i Satana, dia lasa simba teo imason’Andriamanitra ny tany satria feno herisetra. (Ge 6:11) Vao mainka ny olona hasiaka be sy tsy hahafehy tena, arakaraka ny hanatonan’ny fotoana handringanana ny tontolon’i Satana.​—2Ti 3:1, 3.

Vakio ny Salamo 11:5. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona no tsapan’i Jehovah amin’ny olona tia herisetra? Nahoana?

  • Nahoana ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly ataon’ny olona no mampiseho hoe tia herisetra ry zareo?

Vakio ny Ohabolana 22:24, 25. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Nahoana no mety hisy vokany amin’ny fiheverantsika ny herisetra ny fialam-boly fidintsika sy ny olona ifaneraserantsika?

  • Nahoana ny fialam-boly ataontsika no mampiseho hoe tia herisetra ve isika sa tsia?

9. Ezaka Manokana Amin’ny Septambra

(9 min.)

Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ampirisiho mba hazoto handray anjara amin’ilay ezaka manokana ny mpitory, ary resaho ny fandaharan’ny fiangonana.

Alefaso ilay VIDEO hoe Fiadanana Ihany Eran-tany! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2022).

10. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 4:5

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 4 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara