15-21 SEPTAMBRA
OHABOLANA 31
Hira 135 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Inona no Azo Ianarana avy Amin’ny Torohevitra Nomen’ny Reny Iray ho An’ny Zanany Lahy?
(10 min.)
Ampianaro ny zanakao ny hevitr’i Jehovah momba ny firaisana sy ny fanambadiana (Oh 31:3, 10; w11 1/2 19 § 8)
Ampianaro ny zanakao ny hevitr’i Jehovah momba ny toaka (Oh 31:4-6; ijwhf lahatsoratra 4 § 11)
Ampianaro hanampy ny hafa hoatran’ny ataon’i Jehovah ny zanakao (Oh 31:8, 9; g17.6 9 § 5)
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Oh 31:26—Nahoana io andininy io no manampy anao hahay hifampiresaka tsara amin’ny hafa? (w23.12 52:12)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Miezaha hiresadresaka amin’ny olona nampiseho hatsaram-panahy taminao. (lmd 5:3)
5. Miresadresaha Aloha
(4 min.) ISAN-TRANO. Miresaha hevitra iray ao amin’ilay hoe “Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina” ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd 1:4)
6. Rehefa Miverina Mitsidika
(5 min.) ISAN-TRANO. Asao hanatrika lahateny manokana ny olona iray nandray Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2025. (lmd 7:4)
Hira 121
7. Ampio ny Zanakao mba Hahay Handanjalanja Rehefa Mampiasa Fitaovana Elektronika
(8 min.) Fiaraha-midinika.
Efa nahita ankizy variana mikitikitika tablette na telefaonina ve ianao? Hoatran’ny hoe tsotra kely aminy ny mampiasa an’ilay izy! Matetika ry zareo no tsy mila ampianarina akory dia efa mahay mampiasa fitaovana elektronika. Mila ampiana hahay handanjalanja foana anefa ry zareo. Raha manan-janaka ianao, dia inona no azonao atao mba hanampiana azy hahay an’izany?
Alefaso ilay VIDEO hoe Ampiasao Tsara ny Fotoana. Iaraho midinika ireto avy eo:
Nahoana no tsara ilay hoe ferana ny fotoana ampiasantsika fitaovana elektronika?
Inona koa ny zavatra hafa tokony hampiasantsika ny fotoanantsika?
Rehefa mametraka fitsipika ho an’ny fianakavianao ianao, dia aza manaraka an’izay ataon’ny ray aman-dreny hafa fa ny torolalan’ny Baiboly arahina. (Ga 6:5) Eritrereto, ohatra, ireto:
Mahay mifehy tena ve ny zanako sady mahay manapa-kevitra tsara raha avelako mampiasa ny telefaoniko na ny tablette-ko, na raha omena telefaonina na tablette ho an’azy manokana mihitsy aza?—1Ko 9:25
Avelako hampiasa fitaovana elektronika ve izy rehefa tsy eo aho?—Oh 18:1
Inona avy ny applications sy site azon’ny zanako ampiasaina sy jerena, dia inona avy no tsy avelako hampiasainy sy hojereny?—Ef 5:3-5; Fi 4:8, 9
Adin’ny firy isan’andro izy no avelako hampiasa fitaovana elektronika, amin’izay izy mba manana fotoana hanaovana zavatra hafa mahafinaritra sy zava-dehibe?—Mpto 3:1
8. Zavatra Ilain’ny Fiangonana
(7 min.)
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) lff 6:1-4