22-28 SEPTAMBRA
MPITORITENY 1-2
Hira 103 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Miezaha Foana Hampiofana Tanora
(10 min.)
[Alefaso ilay VIDEO Fampidirana ny Bokin’ny Mpitoriteny.]
Mila mampiofana tanora foana isika (Mpto 1:4; w24.10 41:15, 18)
Ho hitan’ny hafa hoe mahafinaritra ny miasa mafy ho an’i Jehovah, raha mampiofana sy manome andraikitra azy ireo isika (Mpto 2:24)
Na dia tianao be aza ny tombontsoa anananao, dia aza avela hanakana anao tsy hampiofana rahalahy tanora kokoa izany
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Mpto 1:7—Nahoana i Solomona no nantsoina hoe “mpamory vahoaka”? (w20.05 21:6)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Fantaro hoe inona ny foto-kevitra mety hahaliana an’ilay olona, dia mifanaova fotoana mba hifampiresahana indray. (lmd 3:5)
5. Miresadresaha Aloha
(2 min.) AMPAHIBEMASO. Miresaha hevitra iray ao amin’ilay hoe “Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina”, ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. Ampiasao ny soso-kevitra resahina ao rehefa hitory. (lmd 2:3)
6. Rehefa Miverina Mitsidika
(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Valio ny fanontaniana napetrak’ilay olona tamin’ianareo niresaka farany. (lmd 9:5)
7. Rehefa Mampianatra
(5 min.) AMPAHIBEMASO. Asehoy hoe ahoana ny fomba fianarana Baiboly, dia mifanaova fotoana hanohizana an’ilay fianarana. (lmd 10:3)
Hira 84
8. Lesona Telo Lehibe Momba ny Fampiofanana
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mandrisika antsika hampiofana ny hafa hanao ny asa asain’i Jehovah ataontsika ny fitiavana
Misy ohatra tsara be dia be manampy antsika hahay hampiofana ny hafa ao amin’ny Baiboly. Betsaka, ohatra, no azontsika tahafina avy amin’i Samoela tamin’izy nampiofana an’i Saoly, Elia tamin’izy nampiofana an’i Elisa, Jesosy tamin’izy nampiofana ny mpianany, ary Paoly tamin’izy nampiofana an’i Timoty. I Jehovah anefa no mpampiofana mahay indrindra. Ahoana no azontsika anahafana azy?
Alefaso ilay VIDEO hoe Tahafo i Jehovah ka Ampiofano ny Hafa (Jn 5:20)—Ampahany. Iaraho midinika ity avy eo:
Inona ny lesona telo azontsika ianarana avy amin’i Jehovah rehefa mampiofana?
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) lff 6:5-6