FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.09 5
  • 29 Septambra–5 Oktobra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 29 Septambra–5 Oktobra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.09 5

29 SEPTAMBRA–5 OKTOBRA

MPITORITENY 3-4

Hira 93 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mpivady falifaly miara-mamaky Baiboly.

Manokàna fotoana hiarahanareo mivady sy hiarahana amin’i Jehovah

1. Ataovy Mafy Tsara Foana Ilay Tady Randran-telo

(10 min.)

Manokàna fotoana mba hifampiresahana tsara (Mpto 3:1; ijwhf lahatsoratra 10 § 2, 3

Miaraha manao zavatra (Mpto 4:9; w23.05 23:12-14)

Ataovy izay hahatonga anareo mivady hifandray be amin’i Jehovah foana (Mpto 4:12; w23.05 23:3)


SAINTSAINO IZAO: ‘Hanao ahoana ny tokantranonay raha tafasaraka elaela amin’ny vadiko aho, na mandeha vakansy tsy miaraka aminy, na mandeha lavitra matetika satria miasa?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Mpto 3:8​—Nahoana io andininy io no milaza hoe “misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana”? (w22.03 10:11-12)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 6:6-7 (th 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Ampiasao Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2025 mba hanombohana resadresaka. Ovao mifanaraka amin’izay foto-kevitra mahaliana an’ilay olona anefa ny zavatra resahinao. (lmd 2:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hianatra Baiboly ny olona iray nandray Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2025. (lmd 9:4)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A:12​—Foto-kevitra: Tsy Manavakavaka Andriamanitra. (th 19)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 131

7. Araho ny Tari-dalan’i Jehovah Rehefa Tsy Mifanaraka Ianareo Mivady

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Efa atoron’i Jehovah daholo izay tsy maintsy ataon’ny mpivady raha tiany ho sambatra ny tokantranony. Mety mbola tsy hifanaraka ihany anefa izy roa indraindray. (1Ko 7:28) Raha tsy miezaka mandamina an’ireny olana ireny ry zareo, dia mety hanomboka tsy ho sambatra. Mety hieritreritra mihitsy aza ry zareo hoe tsy ho avotra intsony ny tokantranony. Ahoana raha miatrika olana hoatr’izany ianareo mivady?

Misy tantarana mpivady tanora nanana olana be ao amin’ilay video hoe Inona no Atao hoe Tena Fitiavana? Tadidinao ve ny torohevitra nomen’ny dadany an’ilay zanany vavy rehefa saika hanapa-kevitra izy nefa tsy nieritreritra an’i Jehovah?

Alefaso ilay VIDEO hoe Inona no Atao hoe Tena Fitiavana?​—Ampahany. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana ny mpivady no tokony hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah rehefa tsy mifanaraka ry zareo?​—Is 48:17; Mt 19:6

Raha misy olana lehibe ny tokantranonareo, dia tohizo foana ny fahazarana ara-panahy amin’izay ianareo hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Miezaha mafy handamina an’ilay olana. Jereo, ohatra, ny torolalan’ny Baiboly, dia mitadiava fanazavana ao amin’ny boky sy gazetintsika mba hahafantarana ny hevitr’i Jehovah momba an’ilay olana sy izay tiany hataonao. Raha manao an’izany ianao, dia asehonao an’i Jehovah hoe tianao hanampy sy hitahy anao izy.​—Oh 10:22; Is 41:10.

Sary avy amin’ilay video hoe “Tandremo sao Voafitaky ny Fiadanana Tsy Tena Izy!​—Darrel sy Deborah Freisinger.” Sary mampiseho an’ny Ranabavy Freisinger tamin’izy mbola tanora. Mijery sary izy.

Alefaso ilay VIDEO hoe Tandremo sao Voafitaky ny Fiadanana Tsy Tena Izy!​—Darrel sy Deborah Freisinger. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nisy olana be ny tokantranon’ny Rahalahy sy Ranabavy Freisinger. Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nandaminan-dry zareo an’ilay izy?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 7:1-5

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 1 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara