FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.09 6
  • 6-12 Oktobra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 6-12 Oktobra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.09 6

6-12 OKTOBRA

MPITORITENY 5-6

Hira 42 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Israelita eo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna, mihaino an’izay tenenin’ny mpisorona iray. Mitazona horonam-boky ilay mpisorona.

Israelita mihaino tsara an’izay tenenin’ny mpisorona iray manazava ny Lalàna

1. Ahoana no Ampisehoantsika hoe Manaja Lalina An’Andriamanitra Isika?

(10 min.)

Manaja an’Andriamanitra isika rehefa mihaino tsara any am-pivoriana sady maotina tsara ny akanjo sy ny paozintsika (Mpto 5:1; lff 52:1)

Rehefa asaina mivavaka isika, dia tokony ho voaomana tsara sy feno fanajana ny zavatra resahintsika fa tsy atao lava be (Mpto 5:2; w22.07 31:18)

Tokony hitana an’ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena isika (Mpto 5:4-6; w23.08 36:5)

Rahalahy sy anabavy samy hafa taona, any am-pivoriana. Mihaino tsara ry zareo.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Mpto 5:8​—Nahoana no mampahery antsika io andininy io rehefa iharan’ny tsy rariny isika? (w24.11 44:1-2)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 6:8 (th 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Te hiady hevitra aminao ilay olona. (lmd 4:5)

5. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Miresaha hevitra iray ao amin’ilay hoe “Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina”, ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd 1:3)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) ISAN-TRANO. Mampisehoa video iray avy ao amin’ny Fitaovana Fampianarana. (lmd 7:3)

7. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff lesona 17:1-3 (lmd 11:3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 160

8. Mampiasa An’ireo Foto-kevitra ao Amin’ilay hoe “Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina” ve Ianao?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mpivady mitory isan-trano, dia mamaky andinin-teny amin’ny lehilahy iray.

Manampy antsika hahay hiresaka kokoa amin’olona ilay bokikely hoe Tiavo ny Olona ka Ampianaro. Natao hanampiana antsika hiresaka fahamarinana tsotra avy ao amin’ny Baiboly, ohatra, ilay Fanazavana Fanampiny A ao. (He 4:12) Efa hainao tsara ve ilay foto-kevitra sivy ao amin’ilay hoe “Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina”?

  • Rehefa miresaka amin’olona isika, dia afaka manararaotra miresaka fahamarinana tsotra avy ao amin’ny Baiboly. Ahoana no azontsika ampidirana an’ilay izy?​—lmd Fanazavana Fanampiny A

  • Inona ny foto-kevitra tena mahaliana ny olona eny amin’ny faritaninareo?

  • Inona no azontsika atao mba ho haintsika kokoa ireo andininy ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A?

TANJONA:

Miezaha hitadidy andinin-teny iray isaky ny foto-kevitra, fara fahakeliny. Izay tena mahaliana ny olona eny amin’ny faritaninareo aloha tadidina.

Ho mora tadidintsika ireny andinin-teny ireny raha ampiasaintsika foana rehefa mitory isika. Tsy ho afaka hampiasa an’ireny anefa isika raha tsy mandeha miresaka amin’ny olona.

Alefaso ilay VIDEO hoe “Ny Vy no Mandranitra ny Vy”: Miresaha Amin’ny Olona Betsaka Kokoa. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Inona no hanampy antsika hahavita hiresaka amin’ny olona betsaka kokoa rehefa eny amin’ny faritany?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 7:6-7

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 8 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara