13-19 OKTOBRA
MPITORITENY 7-8
Hira 39 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. “Aleo Mankany Amin’ny Trano Misy Fisaonana”
(10 min.)
Manokàna fotoana hampaherezana an’izay nidonam-pahoriana (Mpto 7:2; w22.01 3:9)
Resaho ny toetra tsaran’ilay olona nodimandry mba hampaherezana an’ilay nidonam-pahoriana (Mpto 7:1; w19.06 23 § 15)
Miaraha mivavaka aminy (mwb19.04 29 Aprily-5 Mey, 2)
TADIDIO IZAO: Mbola mila fampaherezana avy amin’ny rahalahy sy anabavy matetika ny olona nidonam-pahoriana, na dia efa elaela aorianan’ny nahafatesan’ilay olona akaikin’ny fony aza. —w22.01 3:9.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Mpto 7:20-22—Raha nisy olona nahasosotra anao, dia nahoana ireo andininy ireo no manampy anao hanapa-kevitra hoe hanatona an’ilay olona sa tsia? (w23.03 14:18)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(2 min.) AMPAHIBEMASO. Fantaro hoe inona ny foto-kevitra mety hahaliana an’ilay olona, dia mifanaova fotoana mba hifampiresahana indray. (lmd 2:4)
5. Miresadresaha Aloha
(2 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd 2:3)
6. Rehefa Miverina Mitsidika
(2 min.) ISAN-TRANO. Resaho amin’ilay olona ny tranonkalantsika jw.org. (lmd 9:4)
7. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(5 min.) Fampisehoana. ijwfq lahatsoratra 50—Foto-kevitra: Ahoana no Ataon’ny Vavolombelona Rehefa Mikarakara Fandevenana? (th 17)
Hira 151
8. Ataovy Izay Hahatonga Anao Hino Foana hoe Hatsangana ny Maty
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mampanantena i Jehovah hoe hatsangana ny maty. Anisan’ny fanomezana tsara be omeny antsika izany. Ianarantsika avy amin’izany hoe mahery i Jehovah, manam-pahendrena, mamindra fo, ary ny tena lehibe indrindra hoe tia antsika tsirairay izy.—Jn 3:16.
Raha tena mino isika hoe mbola hatsangana ny maty, dia hahavita tsy hifantoka be loatra amin’ny olana mahazo antsika isika fa amin’ny zavatra ampanantenain’i Jehovah amin’ny hoavy. (2Ko 4:16-18) Hilamin-tsaina sy ho tony koa isika raha enjehina noho ny finoantsika, na marary, na hoe maty ny olona akaikin’ny fontsika. (1Te 4:13) Tsy tena ho sambatra isika raha tsy mino hoe hatsangana ny maty. (1Ko 15:19) Maninona àry raha atao izay hahatonga anao hino kokoa an’izany fampanantenana tsara be izany?
Vakio ny Jaona 11:21-24. Iaraho midinika ireto avy eo:
Ahoana no nampisehoan’i Marta hoe tena nino ny fitsanganana amin’ny maty izy?
Inona ny fitahiana azony rehefa nanam-pinoana izy?—Jn 11:38-44
Alefaso ilay VIDEO hoe Tahafo Ireo Vehivavy Manam-pinoana—Marta. Iaraho midinika ireto avy eo:
Nahoana no tena tsy andrinao ilay hoe hatsangana ny maty?
Inona no azonao atao mba hahatonga anao hino kokoa hoe tena hatsangana ny maty?
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) lff 8:1-5