20-26 OKTOBRA
MPITORITENY 9-10
Hira 30 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Ahoana no Tokony ho Fahitanao ny Olana Mahazo Anao?
(10 min.)
Fantatsika fa tsy hoe tsy faly amintsika akory i Jehovah matoa miatrika olana isika (Mpto 9:11; lff 26:3)
Haintsika hoe hisy foana ny tsy rariny raha mbola eto amin’ny tontolon’i Satana (Mpto 10:7; w19.09 5 § 10)
Tokony hanokana fotoana hankafizana ny fanomezana nomen’i Jehovah antsika isika, na dia manana olana aza (Mpto 9:7, 10; lff 38:1)
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Mpto 10:12-14—Nahoana no ratsy ny hoe mifosa, araka ny resahin’ireo andininy ireo? (w22.04 15:19)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) AMPAHIBEMASO. Miresaha amin’ny olona iray malahelohelo. (lmd 3:4)
5. Miresadresaha Aloha
(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Miteny aminao ilay olona hoe manahy momba ny vola izy. Miresaha hevitra iray ao amin’ilay hoe “Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina”, ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd 4:4)
6. Rehefa Mampianatra
Hira 47
7. Inona no Hanampy Antsika Tsy Hitebiteby Loatra Rehefa Misy Zavatra Ratsy Be Mitranga?
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Miatrika olana sy zava-tsarotra foana isika isan’andro. Mety ho tampoka be amintsika anefa ny olana sasany sady mety ho faran’izay ratsy, dia tsy hitantsika izay hatao. Mety hiady saina koa isika hoe ho vitantsika ve ny hiatrika an’ilay izy. Inona àry no hanampy antsika tsy hitebiteby be?
Eo foana i Jehovah hanampy antsika “hilamina sy tsy hitebiteby”, na inona na inona olana atrehintsika. (Is 33:6) Hahavita hiantehitra aminy isika raha mahay mandanjalanja sy manetry tena. (Oh 11:2) Ahoana àry no atao rehefa misy loza na zavatra ratsy be mitranga? Tsy tokony ho maimaika hanapa-kevitra isika fa mila maka fotoana tsara. Mila manokana fotoana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny olona akaikin’ny fontsika koa isika. Raha misy havantsika na namantsika nodimandry, dia tadidio hoe tsy maninona na mbola malahelo be an’ilay olona foana aza isika mandritra ny fotoana elaela.—Mpto 4:6.
Mampiasa ny mpanompony i Jehovah mba hampaherezana anao. Tsy tokony hisalasala hangataka fanampiana àry ianao, sady hanaiky hampiana. Tadidio hoe tia be anao ny rahalahy sy anabavinao, dia tena te hanampy anao ry zareo.
Vakio ny 2 Korintianina 4:7-9. Iaraho midinika ity avy eo:
Nahoana isika no tokony hiezaka be mba hanatrika fivoriana sy hamaky Baiboly ary hitory foana, na dia rehefa tsy mora aza ny manao an’izany?
Alefaso ilay VIDEO hoe Akaiky An’izay Torotoro Fo i Jehovah. Iaraho midinika ireto avy eo:
Ahoana no nanampian’i Jehovah ny Rahalahy sy Ranabavy Septer?
Inona no nataon’ny mpiara-manompo mba hanampiana an-dry zareo?
Inona koa no ianaranao avy amin’ny tantaran-dry zareo?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) lff 8:6-7