LAHATSORATRA FIANARANA 43
Miantsoantso ny Tena Fahendrena
“Miantsoantso eny an-dalana ny tena fahendrena, ary manandratra ny feony eny amin’ny tany malalaky ny tanàna.”—OHAB. 1:20.
HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao
HO HITANAO ATOa
1. Ahoana no ataon’ny olona maro amin’izao rehefa maheno ny antsoantson’ny fahendrena? (Ohabolana 1:20, 21)
FAHITA any amin’ny tany maro ny mpitory mijoro eny amin’ny toerana be olona. Mitsikitsiky ry zareo sady manolotra zavatra hovakina amin’ny mpandalo. Efa nandray anjara tamin’io fanompoana mahafinaritra io ve ianao? Raha izany, dia azo antoka fa tonga tao an-tsainao ilay sarin-teny ao amin’ny Ohabolana, ilay hoe miantsoantso eny amin’ny toerana be olona ny fahendrena mba handrenesan’izy ireo ny toroheviny. (Vakio ny Ohabolana 1:20, 21.) Ao amin’ny Baiboly sy ireo boky sy gazetintsika no misy ny “tena fahendrena”, izany hoe ny fahendren’i Jehovah. Tena ilaina izy io mba hahazoana fiainana mandrakizay. Faly isika rehefa misy mandray boky na gazety, nefa tsy ny rehetra no manao an’izany. Tsy miraharaha an’izay lazain’ny Baiboly ny olona sasany, fa ny hafa indray mihomehy antsika. Mieritreritra ry zareo hoe efa lany andro ny Baiboly. Misy koa manakiana ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Hentitra loatra sady tia mitsaratsara, hono, izay manaraka an’izany. Be fitiavana anefa i Jehovah, dia mbola omeny ny tena fahendrena ny olona rehetra. Ahoana no ataony?
2. Aiza no ahitana ny tena fahendrena amin’izao, nefa inona no safidin’ny ankamaroan’ny olona?
2 Ny Baiboly no fomba iray anomezan’i Jehovah ny tena fahendrena. Saika ny rehetra no afaka mahazo an’io boky io. Ary ny boky sy gazetintsika? Misy amin’ny fiteny 1000 mahery izy ireny noho ny fitahian’i Jehovah. Handray soa izay mihaino, izany hoe mamaky sy mampihatra ny zavatra ianarany ao amin’izy ireny. Tsy miraharaha ny feon’ny tena fahendrena anefa ny ankamaroan’ny olona. Aleony manaraka an’izay heveriny fa mety na mihaino olon-kafa rehefa handray fanapahan-kevitra. Mety hanambanimbany antsika mihitsy aza ry zareo, satria isika mifidy ny hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly. Hodinihintsika ato hoe maninona ny olona no manao hoatr’izany. Horesahintsika anefa aloha hoe ahoana no hahazoantsika ny fahendrena avy amin’i Jehovah.
MAMPAHENDRY NY FAHALALANA AN’I JEHOVAH
3. Inona no tokony hataontsika mba ho tena hendry isika?
3 Azo antsoina hoe fahendrena ny fahaizana mampiasa ny fahalalana mba handraisana fanapahan-kevitra tsara. Mihoatra noho izany anefa ny tena fahendrena. Hoy ny Baiboly: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena, ary izay mahalala an’Ilay Masina Indrindra no mahira-tsaina.” (Ohab. 9:10) Raha handray fanapahan-kevitra lehibe àry isika, dia tokony hataontsika mifanaraka amin’ny fomba fisainan’i Jehovah, na ny ‘fahalalana an’Ilay Masina Indrindra’ izany. Manao an’izany isika rehefa mandinika an’izay lazain’ny Baiboly ary ny boky sy gazetintsika. Asehontsika amin’izany hoe tena hendry isika.—Ohab. 2:5-7.
4. Nahoana no i Jehovah irery no afaka manome antsika ny tena fahendrena?
4 I Jehovah irery no afaka manome antsika ny tena fahendrena. (Rom. 16:27) Nahoana izy no Loharanon’ny fahendrena? Voalohany, satria izy no Mpamorona, dia fantany ny tsipiriany rehetra momba ny zavaboariny. (Sal. 104:24) Faharoa, hita taratra amin’izay rehetra ataony fa hendry izy. (Rom. 11:33) Fahatelo, handray soa foana izay mampihatra ny toroheviny feno fahendrena. (Ohab. 2:10-12) Tsy maintsy manaiky an’ireo fahamarinana ireo isika raha te hahazo ny tena fahendrena, ary mamela azy ireo hitarika antsika rehefa manapa-kevitra sy manao zavatra.
5. Inona no vokany rehefa tsy manaiky ny olona hoe i Jehovah no Loharanon’ny tena fahendrena?
5 Maro ny olona miaiky fa mahavariana ny zavaboary. Tsy ekeny anefa hoe misy ny Mpamorona, fa avy amin’ny evolisiona, hono, izy ireny. Ny sasany indray mino an’Andriamanitra ihany nefa lany andro, hono, ny fitsipiky ny Baiboly, dia aleony manao izay tiany. Inona no vokany? Mihatsara ve ny fiainan’ny olona rehefa manao izay heveriny fa mety izy, fa tsy manaraka ny fahendrena avy amin’Andriamanitra? Lasa tena sambatra ve izy, na manana fanantenana azo antoka momba ny hoavy? Rehefa mandinika ny zava-misy isika, dia resy lahatra hoe “tsy misy fahendrena na fahaiza-mandinika na torohevitra mahatohitra an’i Jehovah.” (Ohab. 21:30) Mandrisika antsika hangataka ny tena fahendrena avy amin’i Jehovah izany. Mampalahelo fa tsy manao an’izany ny ankamaroan’ny olona. Fa maninona?
NAHOANA NY OLONA NO TSY MIRAHARAHA NY TENA FAHENDRENA?
6. Iza no manao be marenina rehefa miantsoantso ny tena fahendrena, araka ny Ohabolana 1:22-25?
6 Betsaka no manao be marenina rehefa “miantsoantso eny an-dalana” ny tena fahendrena. Miresaka antokon’olona telo manao an’izany ny Baiboly: Ireo “tsy dia nahita fiainana” sy ny “mpaneso” ary ny “tsisy saina.” (Vakio ny Ohabolana 1:22-25.) Andao hodinihintsika hoe nahoana izy ireny no tsy miraharaha ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, ary inona no azontsika atao raha tsy tiantsika ny hanahaka azy ireny.
7. Nahoana ny olona sasany “tsy dia nahita fiainana” no te hijanona ho hoatr’izany foana?
7 Mino an’izay rehetra reny, mora resen-dahatra, na mora fitahina ny olona “tsy dia nahita fiainana.” (Ohab. 14:15, f.a.p.) Mahita hoatr’izany isika matetika rehefa manompo. Eritrereto, ohatra, ny olona an-tapitrisany voafitaky ny mpitondra fivavahana na ny mpanao politika. Mihoron-koditra ny sasany amin’izy ireny rehefa mahafantatra hoe hay izy voafitaka. Tsy hoatr’izany anefa ireo tsy dia nahita fiainana resahin’ny Ohabolana 1:22. Ry zareo mihitsy no mifidy hijanona ho hoatr’izany. (Jer. 5:31) Tia manao izay mahafalifaly ny fony ry zareo, dia tsy te hianatra an’izay lazain’ny Baiboly na hankatò ny lalàny. Betsaka amin’ny olona hoatr’ireny no mitovy hevitra amin’ilay vehivavy mpivavaka be any Québec, any Kanada. Izao no nolazainy tamin’ilay Vavolombelona nitory taminy: “Raha namitaka anay ny pasiteranay, dia izy no diso fa tsy izahay!” Tsy tiantsika mihitsy ny hanahaka ny olona tsy te handray fahalalana hoatr’izany.—Ohab. 1:32; 27:12.
8. Inona no hanampy antsika hahazo fahendrena?
8 Tsy mahagaga raha ampirisihin’ny Baiboly isika mba “ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahiratan-tsaina.” (1 Kor. 14:20) Hahazo fahendrena isika raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika. Isika mihitsy amin’izay no hahita tsikelikely hoe manampy antsika hisoroka olana sy handray fanapahan-kevitra tsara izy ireny. Maninona àry raha dinihina ny fanapahan-kevitrao tato ho ato? Raha efa elaela ianao no nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana, dia saintsaino hoe: ‘Nahoana aho no mbola tsy nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa foana?’ Raha efa vita batisa indray ianao, dia eritrereto izao: ‘Manatsara ny fahaizako mitory sy mampianatra ve aho? Hita amin’ny fanapahan-kevitro ve hoe mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly aho? Tsara toetra amin’ny olona ve aho?’ Raha hitanao hoe mbola mila miezaka ianao, dia saintsaino ny fampahatsiahivan’i Jehovah. “Mampahendry an’izay tsy dia nahita fiainana” mantsy izy ireny.—Sal. 19:7.
9. Ahoana no ahitana hoe tsy miraharaha ny fahendrena ny “mpaneso”?
9 Ny “mpaneso” no antokon’olona faharoa tsy miraharaha ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Mahita olona hoatr’izany isika indraindray rehefa mitory. Tia manambanimbany ny hafa izy ireny. (Sal. 123:4) Mampitandrina antsika ny Baiboly fa ho be dia be ny mpaneso amin’ny andro farany. (2 Pet. 3:3, 4) Tsy miraharaha ny fampitandremana avy amin’Andriamanitra ny olona sasany amin’izao, hoatran’ny vinantolahin’ilay lehilahy marina atao hoe Lota. (Gen. 19:14) Betsaka amin’izy ireny no maneso an’ireo mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, satria te “hanatanteraka ny faniriany hanao ratsy.” (Joda 7, 17, 18) Hoatr’izany resahin’ny Baiboly momba ny mpaneso izany mihitsy no ataon’ny mpivadi-pinoana sy izay mandà an’i Jehovah!
10. Inona no hanampy antsika tsy ho lasa mpaneso, araka ny Salamo 1:1?
10 Inona no azontsika atao mba tsy ho lasa mpaneso isika? Aza mifanerasera amin’ny olona tia manakiana. (Vakio ny Salamo 1:1.) Midika izany hoe tsy hihaino na hamaky zavatra navoakan’ny mpivadi-pinoana isika. Raha tsy mitandrina mantsy isika, dia mety ho lasa tia manakiana ary hanomboka tsy hatoky an’i Jehovah sy ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ny fandaminany. Ahoana no hisorohana an’izany? Saintsaino izao: ‘Mahita holazaina foana ve aho rehefa mahazo tari-dalana na fanazavana vaovao isika? Tia manakiana an’ireo mitarika ve aho?’ Raha zatra manao an’ireo isika nefa miova haingana, dia ho faly i Jehovah.—Ohab. 3:34, 35.
11. Ahoana no fiheveran’ny “tsisy saina” ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena?
11 Ireo “tsisy saina” no antokon’olona fahatelo tsy miraharaha fahendrena. Tsisy saina ry zareo, satria tsy mety manaraka ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Izay saim-patany ihany no ataony. (Ohab. 12:15) Tsy raharahian-dry zareo i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahendrena. (Sal. 53:1) Kianiny mafy isika rehefa hitany eny amin’ny fanompoana, satria manaja ny fitsipiky ny Baiboly. Izy amin’io tsy manana torohevitra tsara kokoa omena akory! Izao no lazain’ny Baiboly: “Tsy ho takatry ny tsisy saina ny tena fahendrena, ary tsy hahita hotenenina izy eo am-bavahadin’ny tanàna.” (Ohab. 24:7) Tsy hendry mihitsy ny torohevitra avy amin’izy ireny. Tsy mahagaga i Jehovah raha mampitandrina antsika hoe “ialao ny olona tsisy saina.”—Ohab. 14:7.
12. Inona no hanampy antsika tsy hanao hoatran’ny tsisy saina?
12 Tsy manao hoatran’ireo mankahala ny torohevitr’Andriamanitra isika fa miezaka ny ho tia ny fitsipiny, anisan’izany ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. Vao mainka isika ho tia an’ireny fitsipika ireny, rehefa ampitahaintsika hoe inona no soa azo rehefa mankatò ary inona no vokany rehefa tsy mankatò. Diniho ny olana mahazo ny tsisy saina, noho ry zareo mandà ny torohevitra feno fahendrena avy amin’i Jehovah. Dia diniho avy eo hoe manao ahoana ny hatsaran’ny fiainanao, noho ianao mankatò an’Andriamanitra.—Sal. 32:8, 10.
13. Teren’i Jehovah hankatò ny toroheviny feno fahendrena ve isika?
13 Omen’i Jehovah fahendrena ny olona rehetra. Tsy manery an’iza na iza hanaiky an’izany anefa izy. Na izany aza, dia hazavainy hoe inona no hanjo an’izay tsy mihaino ny fahendrena. (Ohab. 1:29-32) “Hizaka ny vokatry ny nataony” izay mifidy ny tsy hankatò an’i Jehovah. Tsy misy afa-tsy fijaliana sy olana ary fandringanana amin’ny farany no ho vokatry ny fomba fiainan’ireny olona ireny. Izao kosa no ampanantenaina an’izay mihaino ny fahendrena avy amin’i Jehovah sy mampihatra ny zavatra lazainy: “Izay mihaino ahy ... hilamina, sady tsy mba hiady saina satria tsy matahotra loza.”—Ohab. 1:33.
MAHASOA ANTSIKA NY TENA FAHENDRENA
Vao mainka isika hifandray tsara amin’i Jehovah rehefa mamaly any am-pivoriana (Fehintsoratra 15)
14-15. Inona no ianarantsika avy amin’ny Ohabolana 4:23?
14 Mandray soa foana isika rehefa mampihatra ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Hitantsika teo hoe ataon’i Jehovah mora amin’ny olona ny mahazo ny torohevitra feno fahendrena avy aminy. Misy torohevitra tsy mety lany andro, ohatra, ao amin’ny Ohabolana ary hanatsara ny fiainantsika izany rehefa ampiharina. Andao efatra fotsiny no hodinihintsika izao.
15 Arovy ny fonao an’ohatra. Hoy ny Baiboly: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Ohab. 4:23) Ahoana izao no ataonao mba hiarovana ny fonao? Mihinana sakafo mahasalama ianao, manao fanatanjahan-tena ampy tsara, ary manalavitra ny fahazaran-dratsy. Mitovitovy amin’izany koa no ataontsika mba hiarovana ny fontsika an’ohatra. Hoatran’ny sakafo ny Tenin’Andriamanitra, dia mamaky azy io isika isan’andro. Manomana sy manatrika fivoriana koa isika, ary mandray anjara rehefa tonga any. Ankoatra izay, dia hoatran’ny hoe manao fanatanjahan-tena isika rehefa miezaka mafy mba hanompo tsy tapaka. Miezaka ny tsy hanana fahazaran-dratsy koa isika, ka manalavitra an’izay rehetra mety hanimba ny fomba fisainantsika. Anisan’izany ny fialam-boly misy fitondran-tena maloto sy ny naman-dratsy.
Hahay hianina amin’izay ananantsika isika, raha mahay mandanjalanja amin’ny resaka vola (Fehintsoratra 16)
16. Nahoana no tena azo ampiharina amin’izao ny Ohabolana 23:4, 5?
16 Mahaiza mianina amin’izay anananao. Izao no torohevitry ny Baiboly: “Aza mandrera-tena mikatsaka harena. ... Raha avelanao hitopy any amin’ny harena ny masonao, dia tsy ho hitanao akory izany. Fa haniry elatra izany ka hanidina eny amin’ny lanitra toy ny voromahery.” (Ohab. 23:4, 5) Mora manjavona ny harena. Mbola matimatim-bola foana anefa na ny mahantra na ny manankarena. Matetika izany no mahatonga an-dry zareo hanao zavatra hanimba ny lazany sy ny fifandraisany amin’ny hafa, ary hankarary azy mihitsy aza. (Ohab. 28:20; 1 Tim. 6:9, 10) Manampy antsika hahay handanjalanja amin’ny resaka vola anefa ny fahendrena. Miaro antsika tsy ho tia harena izany, sady manampy antsika hahay hianina sy ho sambatra.—Mpito. 7:12.
Tsy handratra ny hafa ny teny lazaintsika raha mieritreritra aloha isika vao miteny (Fehintsoratra 17)
17. Ahoana no hatao raha tiantsika ho hoatran’ny “tenin’ny hendry” ny zavatra lazaintsika? (Ohabolana 12:18)
17 Mieritrereta aloha vao miteny. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hisy vokany ratsy be ny tenintsika. Izao no lazain’ny Baiboly: “Manindrona hoatran’ny sabatra ny teny tsy voahevitra, fa manasitrana kosa ny tenin’ny hendry.” (Ohab. 12:18) Hihavana amin’ny hafa foana isika, raha tsy miresadresaka ny fahadisoany. (Ohab. 20:19) Tsy maintsy fenointsika fahalalana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fontsika, raha tiantsika hanasitrana ny tenintsika fa tsy handratra. (Lioka 6:45) Saintsaino àry izay lazain’ny Baiboly, dia ho lasa hoatran’ny “loharanom-pahendrena” hampahery ny hafa ny zavatra lazainao.—Ohab. 18:4.
Hihatsara ny fanompoanao raha manaraka ny tari-dalana avy amin’ny fandaminana ianao (Fehintsoratra 18)
18. Nahoana ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 24:6 no hanampy antsika hahomby amin’ny fanompoana?
18 Manaraha tari-dalana. Misy an’izao torohevitra mahasoa izao ao amin’ny Baiboly: “Tari-dalana tsara no ilainao rehefa handeha hiady, ary hahomby izay manana mpanolo-tsaina maro.” (Ohab. 24:6, f.a.p.) Hahomby isika rehefa mitory sy mampianatra raha mampihatra an’io toro lalana io. Tsy hanao izay heverintsika fa mety fotsiny mantsy isika amin’izay, fa hiezaka hanaraka ny soso-kevitra omena antsika. Mahazo tari-dalana feno fahendrena isika mandritra ny fivoriana. Misy mpanoro hevitra za-draharaha manao lahateny miorina amin’ny Baiboly mantsy any, dia misy fampisehoana hampiofanana antsika koa. Tsy izay ihany, fa manome fitaovana tena tsara hanampy ny olona hahazo an’izay lazain’ny Baiboly ny fandaminan’i Jehovah. Anisan’izany ny boky sy gazety ary video. Miezaka hahay hampiasa an’ireny fitaovana ireny ve ianao?
19. Ahoana ny fiheveranao ny fahendrena omen’i Jehovah? (Ohabolana 3:13-18)
19 Vakio ny Ohabolana 3:13-18. Soa ihany isika fa mahazo torohevitra tsara avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Asa izay ho nanjo antsika raha tsy nisy azy ireny! Hitantsika tato ny sasany amin’ireo torohevitra mahasoa ao amin’ny Ohabolana. Mazava ho azy fa tsy ao ihany no misy torohevitra feno fahendrena, fa ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo. Enga anie isika ho tapa-kevitra hanaraka ny fahendrena avy amin’i Jehovah foana! Tsy raharahiantsika izay fiheveran’izao tontolo izao an’izany fahendrena izany. Resy lahatra mantsy isika hoe “izay mifikitra mafy [amin’ny fahendrena] no hatao hoe sambatra.”
HIRA 36 Arovy ny Fonao
a Tsara lavitra noho izay rehetra omen’ity tontolo ity ny fahendrena avy amin’i Jehovah. Handinika sarin-teny tena mahaliana avy ao amin’ny bokin’ny Ohabolana isika ato. Resahiny ao hoe miantsoantso eny amin’ny tany malalaky ny tanàna ny fahendrena. Ahoana no hahazoantsika ny tena fahendrena? Nahoana ny olona sasany no manao be marenina rehefa miantsoantso izy io? Ary nahoana isika no handray soa raha mihaino ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?