LAHATSORATRA FIANARANA 14
HIRA 8 Jehovah no Fialofantsika
“Fidio ... Izay Hotompoinareo”
“Izaho sy ny ankohonako ... hanompo an’i Jehovah.”—JOS. 24:15.
HEVITRA HODINIHINA
Hampahatsiahy antsika ny antony anompoantsika an’i Jehovah ity lahatsoratra ity.
1. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te ho sambatra isika, ary nahoana? (Isaia 48:17, 18)
TENA tia antsika ilay Raintsika any an-danitra. Tiany hankafy fiainana isika dieny izao sy amin’ny hoavy. (Mpito. 3:12, 13) Marina hoe nomeny fahaizana miavaka isika nefa tsy noforoniny mba hifampitondra na hamaritra an’izay mety sy tsy mety. (Mpito. 8:9; Jer. 10:23) Fantany hoe tsy maintsy manompo azy sy manaraka ny fitsipiny isika raha te ho sambatra.—Vakio ny Isaia 48:17, 18.
2. Inona no tian’i Satana hinoantsika, ary inona no nataon’i Jehovah?
2 Tian’i Satana hino isika olombelona hoe mahavita mifampitondra ary sambatra na tsy misy an’i Jehovah aza. (Gen. 3:4, 5) Ahoana no nataon’i Jehovah, ho setrin’izany lainga izany? Navelany hifampitondra elaela ny olombelona mpikomy, dia miharihary izao hoe tsy mahomby ny fitondran’olombelona. Be dia be anefa ny lehilahy sy vehivavy tantarain’ny Soratra Masina hoe afa-po sy sambatra rehefa nanompo an’i Jehovah. I Jesosy Kristy no voalohany amin’izany. Andao aloha hodinihintsika ny antony nahatonga an’i Jesosy hifidy ny hanompo an’i Jehovah. Hojerentsika avy eo hoe nahoana ilay Raintsika any an-danitra no mendrika ny hotompoina. Ary farany, hojerentsika ny antony sasany mahatonga antsika hifidy ny hanompo an’i Jehovah.
NAHOANA I JESOSY NO NIFIDY NY HANOMPO AN’I JEHOVAH?
3. Notambazan’i Satana inona i Jesosy? Inona anefa no nofidiny?
3 Tsy maintsy nifidy i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, hoe iza no hotompoiny. Vao vita batisa kelikely izy dia niteny taminy i Satana hoe homeny azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao, raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany izy. Namaly azy anefa i Jesosy hoe: “Mandehana ianao, ry Satana! Fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’” (Mat. 4:8-10) Andao hojerentsika ny antony sasany nahatonga an’i Jesosy hanao an’izay safidy izay.
4-5. Milazà antony sasany nahatonga an’i Jesosy nifidy ny hanompo an’i Jehovah.
4 Fitiavana no tena nahatonga an’i Jesosy hifidy ny hanompo an’i Jehovah. Miraiki-po be amin’io Rainy io izy. (Jaona 14:31) Manompo an’i Jehovah koa izy satria izay no tokony hatao. (Jaona 8:28, 29; Apok. 4:11) Fantany hoe Loharanon’aina i Jehovah, mendri-pitokisana, ary malala-tanana. (Sal. 33:4; 36:9; Jak. 1:17) Nilaza ny marina taminy foana koa i Jehovah ary avy aminy izay rehetra ananan’i Jesosy. (Jaona 1:14) Tsy hoatr’izany mihitsy anefa i Satana. Izy no nahatonga ny fahafatesana. Mpandainga izy, tia tena, ary tsy mety afa-po. (Jaona 8:44) Fantatr’i Jesosy daholo izany. Tsy nieritreritra ny hikomy amin’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Satana mihitsy anefa izy.—Fil. 2:5-8.
5 Inona koa no nahatonga an’i Jesosy hifidy ny hanompo an’i Jehovah? Tsy andriny ny hahita ny vokatry ny tsy fivadihany. (Heb. 12:2) Fantany mantsy hoe raha tsy mivadika mihitsy izy dia hanamasina ny anaran’ny Rainy, ary ho azo foanana ny fahoriana rehetra vokatry ny nataon’ny Devoly.
NAHOANA I JEHOVAH NO MENDRIKA NY HOTOMPOINTSIKA?
6-7. Nahoana no be dia be no tsy manompo an’i Jehovah, nefa nahoana izy no mendrika ny hotompoina?
6 Be dia be amin’izao no tsy manompo an’i Jehovah. Mbola tsy fantatr’izy ireo mantsy ny toetrany mahatehotia sy ny zavatra tsara efa nataon’i Jehovah ho an-dry zareo. Hoatr’izany mihitsy ny olona nitorian’ny apostoly Paoly tany Atena.—Asa. 17:19, 20, 30, 34.
7 Nanazava tamin’ny Atenianina i Paoly hoe: “Manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra” ilay tena Andriamanitra. Hoy koa izy: “Matoa isika velona sy mihetsika ary misy, dia noho izy.” Andriamanitra no Mpamorona, ary “avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny firenena rehetra.” Izy àry no mendrika ny hotompointsika.—Asa. 17:25, 26, 28.
8. Inona no tsy hataon’i Jehovah mihitsy? Hazavao.
8 Mpamorona i Jehovah sady Mpanjakan’izao rehetra izao, dia azony atao ny manery ny olona hanompo azy. Tsy hanao an’izany mihitsy anefa izy. Omeny porofo kosa isika hoe misy izy ary tena tiany isika tsirairay. Tiany ho betsaka araka izay azo atao ny olona ho lasa namany mandrakizay. (1 Tim. 2:3, 4) Ahoana no ataony? Mampiofana antsika izy mba hampianarantsika ny olona momba ny fikasany sy ny zavatra tsara eritreretiny hatao ho an’ny olombelona. (Mat. 10:11-13; 28:19, 20) Nomeny ny fiangonana koa isika mba hahafahantsika manompo azy sy hahazo ny fanampian’ny mpiandry be fitiavana.—Asa. 20:28.
9. Ahoana no ahitana hoe be fitiavana i Jehovah?
9 Miavaka ny fitiavan’i Jehovah. Eritrereto fotsiny ange ny fomba itondrany ny olona tsy te hahalala azy e! An’arivony tapitrisa, hatramin’izay, no nanao an’izay saim-pantany fotsiny sy namaritra an’izay mety sy tsy mety aminy. (Mat. 5:44, 45; Asa. 14:16, 17) Tsara fanahy anefa i Jehovah ka manome an’izay ilain-dry zareo mba hahavelona azy sy hankafizany fiainana. Ataony afaka mitia sy minamana amin’olona ry zareo, hanan-janaka, ary hankafy ny vokatry ny asa mafy ataony. (Sal. 127:3; Mpito. 2:24) Hita mihitsy hoe tian’ilay Raintsika any an-danitra ny olona rehetra. (Eks. 34:6) Andao hojerentsika izao ny antony sasany mahatonga antsika hifidy ny hanompo an’i Jehovah sy hoe ahoana no hitahiany antsika.
NAHOANA ISIKA NO MIFIDY NY HANOMPO AN’I JEHOVAH?
10. a) Inona no tena mahatonga antsika hanompo an’i Jehovah? (Matio 22:37) b) Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ianao hoe takatr’i Jehovah ny mahazo anao ary mamela ny helokao izy? (Salamo 103:13, 14)
10 Hoatran’i Jesosy, dia tena tia an’i Jehovah sy miraiki-po aminy isika, ary izany no antony voalohany hanompoantsika azy. (Vakio ny Matio 22:37.) Lasa te ho naman’i Jehovah isika rehefa mahafantatra ny toetra tsarany. Manam-paharetana, ohatra, izy. Niangavy ny Israelita hoatr’izao i Jehovah rehefa tsy nankatò ry zareo: “Mialà re amin’ny lalan-dratsinareo e!” (Jer. 18:11) Tsy hadinon’i Jehovah hoe tsy lavorary isika ary vovoka ihany. (Vakio ny Salamo 103:13, 14.) Rehefa misaintsaina ianao hoe manam-paharetana i Jehovah sady manana toetra be dia be mahatehotia, dia tsy mandrisika anao hanompo azy mandrakizay ve izany?
11. Nahoana koa isika no mifidy ny hanompo an’ilay Raintsika any an-danitra?
11 Te hanompo an’i Jehovah koa isika satria izay no tokony hatao. (Mat. 4:10) Ankoatra izany, dia haintsika hoe inona no vokany raha manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy isika. Hanamasina ny anarany isika, hanaporofo hoe mpandainga ny Devoly, ary hampifaly ny fon’ilay Raintsika. Raha mifidy ny hanompo an’i Jehovah koa isika amin’izao dia afaka manantena ny hanompo azy mandrakizay!—Jaona 17:3.
12-13. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Jane sy Pam?
12 Azo atao ny mianatra ny ho tia be an’i Jehovah na dia mbola kely aza, ary azo ampitomboina izany rehefa mandeha ny fotoana. Hoatr’izany mihitsy i Jane sy Pam,a mpirahavavy iray tam-po. Vao 11 taona i Jane ary 10 taona i Pam tamin-dry zareo nanomboka nianatra Baiboly. Na dia tsy liana aza ny ray aman-drenin’izy roa vavy dia navelany hifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Jane sy Pam, fa mila miangona miaraka amin’izy mivady fotsiny rehefa faran’ny herinandro. Hoy i Jane: “Noteren’ny ankizy hampiasa zava-mahadomelina sy haloto fitondran-tena aho. Nanampy ahy hanohitra an’ireny anefa ny zavatra nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Baiboly.”
13 Lasa mpitory izy roa vavy rehefa afaka taona vitsivitsy. Nanomboka nanao mpisava lalana ry zareo tatỳ aoriana sady nikarakara ny ray aman-dreniny be taona. Hoy i Jane rehefa manao jery todika ny fiainany: “Izaho mihitsy no nahatsapa hoe karakarain’i Jehovah foana ny namany, ary marina ilay resahin’ny 2 Timoty 2:19 hoe: ‘Fantatr’i Jehovah ny azy.’” Rehefa mifidy ny ho tia sy hanompo an’i Jehovah àry ianao dia tsy maintsy hokarakarainy foana!
14. Inona no azonao atao mba hiarovana ny anaran’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
14 Misy manoso-potaka ny anaran’i Jehovah dia te hiaro azy isika. Eritrereto hoe manana namana akaiky ianao. Tsara fanahy sy malala-tanana izy ary tia mamela heloka. Misy manaratsy azy any aminao anefa dia milaza hoe tsy mifaditrovana, hono, izy sady mpamitaka. Ianao ve dia tsy hiaro an’ilay namanao? Manaparitaka lainga momba an’i Jehovah koa i Satana sy ny olona eo ambany fahefany satria te hanala baraka azy. Dia ahoana no hataontsika? Mafana fo isika miaro ny anarany ka milaza ny marina momba azy. (Sal. 34:1; Isaia 43:10) Asehontsika amin’ny tenintsika sy ny ataontsika hoe te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika.
Hiaro ny anaran’i Jehovah ve ianao? (Fehintsoratra 14)b
15. Inona ny soa noraisin’ny apostoly Paoly rehefa nanova ny tanjony izy? (Filipianina 3:7, 8)
15 Vonona hanova ny tanjontsika isika mba hampifaliana an’i Jehovah, na mba hampitomboana ny fanompoana. Naleon’ny apostoly Paoly, ohatra, namoy toerana ambony teo amin’ny fiaraha-monina mba hahafahany manara-dia an’i Kristy sy manompo an’i Jehovah. (Gal. 1:14) Nahafinaritra be àry ny fiainany, ary hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra izy amin’ny hoavy. Tsy nanenenany mihitsy ny fanapahan-keviny hanompo an’i Jehovah, ary tsy hanenina mihitsy koa isika raha manao hoatr’azy.—Vakio ny Filipianina 3:7, 8.
16. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Julia? (Jereo koa ny sary.)
16 Raha ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika, dia hahafinaritra be ny fiainantsika dieny izao sy amin’ny hoavy. Diniho ny tantaran’ny Ranabavy Julia. Mbola kely izy dia efa nihira tao amin’ny fiangonany, tamin’izy mbola tsy nahalala ny fahamarinana. Nisy manam-pahaizana amin’ny mozika nahamarika ny talentany dia nampiofana azy. Vetivety izy dia nalaza ary nanao fampisehoana tany amin’ireny toerana mihaja be ireny. Tamin’izy nianatra mozika tao amin’ny sekoly malaza iray, dia nisy mpiara-mianatra taminy niresaka momba an’Andriamanitra. Nohazavainy tamin’i Julia hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Tsy ela taorian’izay dia nanomboka nianatra Baiboly indroa isan-kerinandro i Julia. Nanapa-kevitra izy tatỳ aoriana hoe hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah fa tsy hiezaka ho mpihira malaza intsony. Tsy mora taminy iny fanapahan-kevitra iny. Hoy izy: “Lazain’ny olona hoe verivery fotsiny, hono, ny fahaizako. Efa tapa-kevitra anefa aho hoe hampiasaiko hanompoana an’i Jehovah ny fiainako.” Efa 30 taona mahery izay no lasa. Nanenina ve i Julia? Tsy izany mihitsy! Hoy izy: “Milamin-tsaina aho izao sady matoky hoe hanome an’izay iriko i Jehovah amin’ny hoavy.”—Sal. 145:16.
Hahafinaritra be mihitsy ny fiainantsika raha ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika (Fehintsoratra 16)c
MANOMPOA FOANA AN’I JEHOVAH
17. Satria efa akaiky ny farany, dia inona no vokatr’izany amin’ireo efa nifidy ny hanompo an’Andriamanitra sy ireo mbola tsy manompo azy?
17 Efa tena akaiky ny faran’izao tontolo izao. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “‘Efa tena kely sisa’ dia ‘ho tonga ilay ho avy, ary tsy ho ela.’” (Heb. 10:37) Inona no vokatr’izany? Kely sisa ny fotoana ahafahan’ny olona mifidy ny hanompo an’i Jehovah. (1 Kor. 7:29) Ary ahoana indray ny amintsika efa nifidy ny hanompo an’Andriamanitra? Fantatsika hoe “efa tena kely sisa” dia hifarana ny fitsapana mahazo antsika, na dia mbola tsy maintsy miaritra aza isika amin’izao.
18. Inona no tian’i Jehovah sy Jesosy hataontsika?
18 Tsy hoe nasain’i Jesosy hanarakaraka azy fotsiny ny mpianany, fa nasainy hanaraka azy foana. (Mat. 16:24) Raha efa an-taonany maro àry ianao no nanompo an’i Jehovah, dia enga anie mba ho tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy! Tsy maintsy miezaka mafy isika mba hahavita hanompo an’i Jehovah foana. Mety tsy ho mora izany, nefa tena ho afa-po isika sady hahazo fitahiana be dia be dieny izao.—Sal. 35:27.
19. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Gene?
19 Misy mieritreritra hoe mafy be izany manompo an’i Jehovah izany. Raha tanora ianao, mahatsapa ve ianao hoe matiantoka rehefa manompo an’i Jehovah? Hoy ny rahalahy tanora antsoina hoe Gene: “Nahatsapa ho voafehifehy be aho satria hoe Vavolombelon’i Jehovah. Hoatran’ny hoe falifaly be ny ankizy hafa nanao fety, na nampiaraka, na nanao lalao video misy herisetra. Izaho anefa tsy maintsy nivory sy nanompo.” Inona no vokatr’izany tamin’i Gene? Hoy izy: “Nanomboka naditra aho nefa nanafina, ary nahafinaritra ilay izy tamin’ny voalohany. Tsy tena sambatra anefa aho. Nanomboka nieritreritra aho hoe inona daholo ny soa ho azoko raha mankatò an’izay lazain’ny Baiboly aho. Nanapa-kevitra àry aho hoe hanompo an’i Jehovah amin’ny foko manontolo. Hoatran’ny hoe novalian’i Jehovah daholo ny vavaka nataoko taorian’izay.”
20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
20 Nihira hoatr’izao ho an’i Jehovah ny mpanao salamo iray: “Sambatra izay fidinao sy asainao manatona anao mba hipetraka eo an-tokotaninao.” (Sal. 65:4) Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana hoatran’i Josoa! Hoy izy: “Izaho sy ny ankohonako ... hanompo an’i Jehovah.”—Jos. 24:15.
HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah
a Novana ny anarana sasany.
b FANAZAVANA SARY: Avy naheno an’ireo mpanohitra antsika eo ivelan’ny toerana anaovana fivoriambe ny vehivavy iray, dia manatona fampirantiana ary maheno ny fahamarinana.
c FANAZAVANA SARY: Sary manampy antsika haka sary an-tsaina ny fanovana nataon’i Julia mba hanompoana an’i Jehovah.