LAHATSORATRA FIANARANA 20
HIRA 7 Jehovah, Herinay sy Tanjakay
Mitadiava Fampiononana any Amin’i Jehovah
“Hoderaina anie [ilay] Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra!”—2 KOR. 1:3.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nampiononan’i Jehovah ny Jiosy natao sesitany?
1. Nanao ahoana ny fiainan’ireo Jiosy natao sesitany?
ERITRERETO ny fihetseham-pon’ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona. Hitan-dry zareo ny nandravana ny taniny. Nalana tamin’ny tranony izy ireo dia nalefa tany an-tany hafa, noho ny fahotany sy ny an’ny razambeny. (2 Tan. 36:15, 16, 20, 21) Marina hoe afaka nanohy ny asa aman-draharahany ry zareo tany Babylona. (Jer. 29:4-7) Tsy mora anefa ny fiainana tany. Raha afaka nifidy ry zareo dia tsy fiainana hoatr’izany mihitsy no tiany. Jereo ange ny tsapan’ity Jiosy tany an-tsesitany ity e! Hoy izy: “Teo amoron’ny renirano tany Babylona izahay no nipetrapetraka. Nitomany izahay rehefa nahatsiaro an’i Ziona.” (Sal. 137:1) Nila fampiononana ireo Jiosy kivy be ireo. Iza anefa no ho afaka hampionona an-dry zareo?
2-3. a) Inona no nataon’i Jehovah ho an’ireo Jiosy natao sesitany? b) Inona no hodinihintsika ato?
2 “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah. (2 Kor. 1:3) Be fitiavana izy dia mahafinaritra azy ny mampionona an’izay manatona azy. Fantatr’i Jehovah hoe hanaiky hanariny ny sasany tamin’ireo natao sesitany dia hiverina aminy. (Isaia 59:20) Nasainy nanoratra boky àry i Isaia mpaminany, 100 taona mahery talohan’ilay sesitany. Nahoana i Isaia no nasaina nanoratra an’io boky mitondra ny anarany io? Hoy izy: “‘Ampionòny, ampionòny ny vahoakako!’, hoy ilay Andriamanitrareo.” (Isaia 40:1) Nampiasa ny asa soratr’ilay mpaminany i Jehovah mba hampiononana an’ireo Jiosy natao sesitany.
3 Mila fampiononana hoatran’ireo Jiosy ireo koa isika indraindray. Hodinihintsika ato ny fomba telo nampiononan’i Jehovah azy ireo: 1) Nampanantena izy fa hamela ny helok’izay mibebaka, 2) nanome fanantenana ny vahoakany izy, ary 3) nampitony azy ireo izy rehefa natahotra ry zareo. Rehefa mandinika an’ireo isika, dia mariho hoe nahoana no mahasoa antsika ny fanomezan-toky nomen’i Jehovah.
MAMINDRA FO I JEHOVAH DIA MAMELA ANTSIKA
4. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe Andriamanitra mamindra fo izy? (Isaia 55:7)
4 “Rain’ny fangorahana” i Jehovah. (2 Kor. 1:3) Nampiseho an’io toetra io izy rehefa nampanantena fa hamela ny helok’izay Jiosy nibebaka. (Vakio ny Isaia 55:7.) Izao no nolazainy: “Tia anao sy tsy mivadika aminao mandrakizay ... aho ka hamindra fo aminao.” (Isaia 54:8) Ahoana no hampisehoan’i Jehovah hoe mamindra fo izy? Nampanantena izy fa tsy hijanona mandrakizay any Babylona ny Jiosy, na dia mbola nizaka ny vokatry ny nataony aza. Voafetra ihany ny fotoana ijanonan-dry zareo any an-tsesitany. (Isaia 40:2) Azo antoka hoe nampahery sy nampionona ny Jiosy nibebaka izany.
5. Raha oharina amin’ireo Jiosy babo, nahoana isika no matoky kokoa hoe mamindra fo i Jehovah?
5 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Vonona hamela tanteraka ny heloky ny mpanompony i Jehovah. Vao mainka isika manana antony hatokisana ny amin’izany raha oharina amin’ireo Jiosy natao sesitany. Fantatsika mantsy ny antony ahafahan’i Jehovah mamela heloka. Nirahiny tetỳ an-tany ny Zanany malala, an-jatony taona taorian’ny naminanian’i Isaia, mba ho vidim-panavotana ho an’izay mpanota mibebaka. Io sorona io no ahafahana ‘mamafa’ tanteraka ny fahotana. (Asa. 3:19; Isaia 1:18; Efes. 1:7) Mamindra fo tokoa ilay Andriamanitra tompointsika!
6. Nahoana no mahasoa antsika ny mifantoka amin’ny famindram-pon’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
6 Afaka mampionona antsika ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 55:7 raha manamelo-tena be isika. Mety mbola henjehin’ny eritreriny ny sasany amintsika na dia efa nibebaka aza, indrindra raha mbola mizaka ny vokatry ny nataony izy amin’izao. Afaka matoky anefa isika hoe namela antsika i Jehovah, raha efa niaiky ny fahotantsika isika sady niova. Rehefa mamela fahadisoana koa i Jehovah dia mifidy ny tsy hitadidy an’izany intsony. (Ampitahao amin’ny Jeremia 31:34.) Koa raha i Jehovah aza tsy mieritreritra an’ilay fahotana nataontsika intsony, dia isika indray ve no hitadidy an’izany? Izay ataontsika amin’izao no zava-dehibe aminy fa tsy ny fahadisoantsika taloha. (Ezek. 33:14-16) Tsy ho ela koa dia hanafoana tanteraka ny vokatry ny fahadisoana nataontsika ilay Rain’ny fangorahana.
Izay ataontsika amin’izao no zava-dehibe amin’i Jehovah fa tsy ny fahadisoantsika taloha (Fehintsoratra 6)
7. Inona no mandrisika antsika hitady fanampiana raha nanota isika nefa nanafina?
7 Inona no tokony hataontsika raha enjehin’ny eritreritra isika satria nanao fahotana lehibe nefa nanafina? Mampirisika antsika hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy ny Baiboly. (Jak. 5:14, 15) Mety tsy ho mora amintsika anefa ny hiaiky ny fahadisoantsika. Ho voatosika hanatona an’ireo lehilahy tsy mivadika ireo anefa isika raha mibebaka. Hahavita an’izany koa isika raha mitadidy hoe be fitiavana sy mamindra fo i Jehovah sy ireo lehilahy notendreny hanampy antsika. Diniho izay nitranga tamin’ny Rahalahy Arthur.a Nanenjika be azy ny eritreriny nefa nampionona azy ny famindram-pon’i Jehovah. Hoy izy: “Herintaona teo ho eo aho no nijery sary vetaveta. Naheno lahateny momba ny feon’ny fieritreretana anefa aho dia nibaboka tamin’ny vadiko sy ny anti-panahy. Maivamaivana aho taorian’izay nefa mbola nanamelo-tena be ihany. Nampahatsiahy ahy àry ny anti-panahy fa tsy nanilikilika ahy i Jehovah. Manitsy antsika izy satria tia antsika. Tsara fanahy be ry zareo niresaka tamiko, dia nanohina ny foko izany sady nanampy ahy hanitsy ny toe-tsaiko.” Mpisava lalana izao i Arthur sady mpikarakara fiangonana. Tena mampionona ny mahalala hoe mamindra fo i Jehovah rehefa mibebaka isika!
MANOME FANANTENANA ANTSIKA I JEHOVAH
8. a) Inona no nampanantenain’i Jehovah an’ireo natao sesitany? b) Mety ho nanao ahoana ireo Jiosy nibebaka rehefa nahazo fanantenana, araka ny Isaia 40:29-31?
8 Tsy nisy nantenaina intsony ny amin’ireo Jiosy babo, raha ny fijerin’olombelona. Nalaza ho tsy namotsotra ny babo azony mantsy ny Firenena Matanjaka Babylonianina. (Isaia 14:17) Efa nampanantena anefa i Jehovah fa hanafaka ny vahoakany, ary tsy hisy hahasakana azy mihitsy. (Isaia 44:26; 55:12) Hoatran’ny vovoka manify i Babylona, amin’i Jehovah. (Isaia 40:15) Tsofina kely fotsiny dia tsy misy intsony. Inona no mety ho vokatr’izany fanantenana izany tamin’ireo Jiosy natao sesitany? Tsy maintsy hoe nampionona azy ireo izany. Nanoratra koa i Isaia hoe: “Izay manantena an’i Jehovah ... hahazo hery indray.” (Vakio ny Isaia 40:29-31.) Hanome hery azy ireo àry ilay fanantenana, ka “hanidina ambony izy ireo, hoatran’ny hoe manana elatry ny voromahery.”
9. Nahoana ny Jiosy no afaka natoky ny fampanantenan’i Jehovah?
9 Nataon’i Jehovah koa izay inoan’ny Jiosy ny fampanantenany. Eritrereto ange ny faminaniana efa tanteraka tamin’izany e! Fantatr’izy ireo fa resin’i Asyria ny fanjakan’Israely tany avaratra, ary natao sesitany ny mponina tao. (Isaia 8:4) Hitan-dry zareo koa ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema sy ny nanaovana sesitany ny mponina tao. (Isaia 39:5-7) Fantatr’izy ireo koa hoe nopotsirina ny mason’i Zedekia Mpanjaka dia nentina tany Babylona izy. (Jer. 39:7; Ezek. 12:12, 13) Efa tanteraka daholo àry izay nolazain’i Jehovah. (Isaia 42:9; 46:10) Azo antoka fa vao mainka ry zareo nino ny fampanantenan’i Jehovah hoe mbola hafahana izy ireo.
10. Inona no azontsika atao mba ho be fanantenana foana isika amin’izao andro farany izao?
10 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa kivy isika dia afaka mampionona sy manome hery antsika ny fanantenana. Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika ary matanjaka be ny fahavalontsika sasany. Tsy tokony hanary toky anefa isika. Nanome antsika fanantenana tsara be mantsy i Jehovah. Nampanantena izy fa hiaina mandrakizay isika sady tena hiadana sy hilamina. Tsy maintsy ataontsika miredareda ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika foana io fanantenana io. Raha tsy izany dia hanjavozavo izy io, ka hoatran’ny hoe avy eo amin’ny varavarankely maloto isika no mitazana toerana tsara tarehy. Ahoana no “hanadiovana an’ilay varavarankely”, mba ho toy ny hoe velombelona foana ny fanantenantsika? Manokàna fotoana tsy tapaka mba hisaintsainana an’ilay fiainana mahafinaritra be ao amin’ny tontolo vaovao. Azo atao ny mamaky lahatsoratra sy mijery video ary mihaino hira miresaka momba an’ilay fanantenana. Resaho amin’i Jehovah amin’ny vavaka koa hoe inona ny fampanantenany efa tsy andrinao ny hahatanterahany.
11. Inona no nanampy ny anabavy iray manana aretina mitaiza mba hahazo hery indray?
11 Manana aretina mitaiza ny anabavy atao hoe Joy, ary mampionona sy mampahery azy ny fanantenana. Hoy izy: “Resahiko amin’i Jehovah ny fihetseham-poko lalina indrindra rehefa ilay tototry ny olana iny aho. Fantatro mantsy hoe azony tsara izay manjo ahy. Nomeny ‘hery mihoatra noho ny an’ny olombelona’ foana aho.” (2 Kor. 4:7) Maka sary an-tsaina ny tenany ao amin’ny tontolo vaovao koa i Joy. “Tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho’”, amin’izay. (Isaia 33:24) Hahazo hery hoatr’izany koa isika raha mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah sy mifantoka amin’ny fanantenantsika.
12. Nahoana isika no afaka matoky ny fampanantenan’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
12 Nataon’i Jehovah koa izay hatokisantsika ny fampanantenany, hoatran’ny nataony tamin’ireo Jiosy natao sesitany. Eritrereto ny faminaniana efa tanteraka amin’izao. Hitantsika, ohatra, fa efa mitondra ilay firenena matanjaka, izay voalaza hoe ‘hisy ampahany aminy hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.’ (Dan. 2:42, 43) Henontsika koa hoe misy “horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.” Ankoatra izay dia mitory amin’ny olona any amin’ny “firenena rehetra” isika. (Mat. 24:7, 14) Rehefa hitantsika hoe tanteraka ny faminaniana hoatr’ireny, dia vao mainka isika mino hoe tsy maintsy ho tanteraka ny zavatra tsara nampanantenain’i Jehovah.
Matoky ny fampanantenan’i Jehovah isika satria mahita hoe tanteraka amin’ny androntsika ny faminaniana (Fehintsoratra 12)
MAMPITONY ANTSIKA I JEHOVAH REHEFA MATAHOTRA ISIKA
13. a) Inona ny olana hatrehin’ireo Jiosy rehefa hafahana izy ireo? b) Ahoana no nampiononan’i Jehovah an’ireo Jiosy natao sesitany, araka ny Isaia 41:10-13?
13 Nampionona an’ireo Jiosy natao sesitany ny fampanantenana tsara be nomen’i Jehovah. Fantatr’i Jehovah koa anefa hoe hiatrika olana izy ireo rehefa hafahana. Efa nilaza mantsy izy fa hisy mpanjaka matanjaka handravarava an’ireo firenena manodidina sy hanafika an’i Babylona, rehefa tonga ny fotoana hanafahana ny Jiosy. (Isaia 41:2-5) Tsy tokony hanahy anefa ny Jiosy. Efa talohan’izay tsinona i Jehovah no nampionona ny vahoakany hoe: “Aza matahotra fa manohana anao aho. Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao.” (Vakio ny Isaia 41:10-13.) Inona no tiany holazaina amin’ilay hoe “izaho no Andriamanitrao”? Te hampahatsiahy ny Jiosy ve izy hoe mila mivavaka aminy ry zareo? Tsia, satria efa mazava be izany. Te hampahatsiahy kosa izy hoe mbola nanohana azy ireo.—Sal. 118:6.
14. Rehefa natahotra ny Jiosy, dia inona koa no nataon’i Jehovah mba hampitonena an-dry zareo?
14 Ahoana koa no nataon’i Jehovah mba hampitonena ny Jiosy natao sesitany rehefa natahotra ry zareo? Nampahatsiahiviny ry zareo hoe tsy misy fetra ny heriny sy ny fahalalany. Nasainy nijery ny lanitra feno kintana ry zareo. Nilaza izy fa izy no namorona ny kintana ary fantany koa ny anaran’ny kintana tsirairay. (Isaia 40:25-28) Dia tsy ho fantany koa ve ny anaran’ny mpanompony tsirairay? Raha manana hery hamoronana ny kintana i Jehovah dia azo antoka hoe manana hery hanampiana ny vahoakany. Tsy tokony hanahy na hatahotra àry ny Jiosy natao sesitany.
15. Ahoana no nampiomanan’Andriamanitra ny Jiosy?
15 Nampiomanin’i Jehovah koa ny vahoakany hoe inona no hitranga. Hoy izy, any aloha kokoa amin’ny bokin’i Isaia: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonareo anatiny ... dia hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” (Isaia 26:20) Tanteraka voalohany angamba io andininy io rehefa nanafika an’i Babylona i Kyrosy Mpanjaka. Milaza ny mpahay tantara grika fahiny fa rehefa niditra tao Babylona i Kyrosy, dia ‘nanome baiko [ny miaramilany mba] hamono an’izay rehetra hitany teny ivelany.’ Tsy maintsy hoe nihorohoro izao ny mponina tao Babylona! Azo inoana kosa fa voaro ny ain’ireo Jiosy natao sesitany satria nankatò ny toromarik’i Jehovah ry zareo.
16. Nahoana isika no tsy tokony hanahy be loatra momba ny hoavy? (Jereo koa ny sary.)
16 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hiatrika fahoriana lehibe mbola tsy nisy hoatr’izany isika atsy ho atsy. Ho very hevitra sy hipararetra noho ny tahotra ny ankamaroan’ny olona rehefa manomboka izy io. Tsy hoatr’izany kosa ny vahoakan’i Jehovah. Fantatsika mantsy fa i Jehovah no Andriamanitsika. Ho feno toky isika ka hijoro tsara satria haintsika fa “efa akaiky ny fanafahana” antsika. (Lioka 21:28) Mbola hatoky an’i Jehovah foana isika na dia rehefa hanafika antsika aza ny firenena maromaro mitambatra. Mba hiarovana antsika dia hampiasa ny anjeliny i Jehovah ary hanome toromarika antsika. Ahoana no hampitany an’izany toromarika izany? Ho hitantsika eo ihany. Azo inoana anefa hoe amin’ny alalan’ny fiangonana no hahazoantsika an’ireny toromarika ireny. Mety ho ny fiangonana àry ilay hoe ‘efitrano anatiny’ ary any isika no ho voaro. Ahoana izany no hiomanantsika amin’izay hitranga? Tsy maintsy mifandray akaiky amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, vonona hankatò ny toromarika omen’ny fandaminana, ary resy lahatra hoe i Jehovah no mitarika an’io fandaminantsika io.—Heb. 10:24, 25; 13:17.
Tsy hanahy be loatra isika mandritra ny fahoriana lehibe raha misaintsaina hoe mahery sy mahavita mamonjy antsika i Jehovah (Fehintsoratra 16)b
17. Ahoana no hampisehoanao hoe mitady fampiononana any amin’i Jehovah ianao?
17 Nomen’i Jehovah ny fampiononana nilainy ny Jiosy natao sesitany satria hiatrika fotoan-tsarotra. Hoatr’izany koa no ataony amintsika. Mitadiava foana àry fampiononana any amin’i Jehovah, na inona na inona hitranga. Matokia hoe tena be famindram-po izy. Ataovy velombelona foana ny fanantenanao, ary tadidio fa tsy misy atahoranao mihitsy satria i Jehovah no Andriamanitrao.
HIRA 3 Ianao no Tokinay
a Novana ny anarana sasany.
b FANAZAVANA SARY: Mpiara-manompo vitsivitsy miara-mivory. Matoky izy ireo fa mahery sy mahavita miaro ny vahoakany i Jehovah, na aiza na aiza misy azy ireo etỳ an-tany.