FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 3
  • Voavonjy Tamin’ny Safodrano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voavonjy Tamin’ny Safodrano
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Nihaino An’Andriamanitra Talohan’ny Safodrano ary Iza no Tsy Nihaino Azy?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Ny Sambofiaran’i Noa
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Tantara Andraisantsika Lesona
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Olona Valo Sisa no Velona!
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 3
The ark floats as the floodwaters rise and the rain falls

FIZARANA 3

Voavonjy Tamin’ny Safodrano

Nandringana ny ratsy fanahy Andriamanitra, ary namonjy an’i Noa sy ny fianakaviany

VETIVETY dia niely ny fahotana sy ny faharatsiana, rehefa nihamaro ny olona. I Enoka irery angamba no mpanompon’i Jehovah tamin’izany. Nampitandrina io mpaminany io fa handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. Vao mainka nanao ratsy anefa ny olona. Nikomy koa ny anjely sasany, ka nandao ny toerany tany an-danitra, ary nidina tetỳ an-tany. Te hanome fahafaham-po ny fanirian-dratsiny izy ireo, ka nitafy vatana ara-nofo ary nanambady zanakavavin’olombelona. Niteraka olona goavana sy natanjaka be atao hoe Nefilima izy ireo. Nampijaly olona ny Nefilima, ka vao mainka nitombo ny herisetra sy ny fandatsahan-dra. Nalahelo be Andriamanitra, rehefa nahita fa nihasimba ny zavaboariny teto an-tany.

Taorian’ny nahafatesan’i Enoka, dia nisy lehilahy atao hoe Noa, tsy mba nanao ratsy toy ny olon-kafa. Niezaka nanao ny tsara izy sy ny fianakaviany. Te hamonjy azy ireo sy ny biby Andriamanitra, rehefa nanapa-kevitra handringana ny ratsy fanahy amin’ny alalan’ny safodrano haneran-tany. Nirahiny hanao sambofiara miendrika vata goavam-be àry i Noa, mba hiarovana azy ireo sy ny biby isan-karazany. Nankatò i Noa. Nanamboatra an’ilay sambofiara izy nandritra ny 40 taona teo ho eo, sady ‘nitory ny fahamarinana.’ (2 Petera 2:5) Nampitandrina izy hoe ho avy ny Safodrano, kanefa tsy niraharaha azy ny olona. Rehefa tonga àry ny fotoana, dia niditra tao anatin’ilay sambofiara ry Noa mianakavy sy ny biby, ary nohidian’Andriamanitra ny varavaran’izy io.

Nisy oram-be naharitra 40 andro sy 40 alina avy eo, ka difotry ny rano ny tany. Ringana ny ratsy fanahy. Nihena ny rano volana maro taorian’izay, ka tafapetraka teo amin’ny tendrombohitra iray ilay sambofiara. Herintaona no nijanonan-dry Noa tao amin’ilay sambofiara. Nivoaka izy ireo ary nanao fanatitra hisaorana an’i Jehovah i Noa. Ho setrin’izany, dia nanome toky azy ireo i Jehovah hoe tsy horinganiny amin’ny safodrano intsony ny zavamananaina eto an-tany. Nasiany avana teny amin’ny lanitra mba hanamafisana izany sy hampahatsiahivana an’io fampanantenana mampahery io.

Nanome didy vaovao Andriamanitra, taorian’ny Safodrano. Nomeny alalana hihinan-kena ny olona, nefa norarany tsy hihinana ra. Nandidy ny taranak’i Noa koa izy mba hiparitaka eran-tany. Nisy olona tsy nankatò anefa. Nanomboka nanorina tilikambo lehibe iray tao Babela, na Babylona, izy ireo, mba hanoherana an’ilay didin’Andriamanitra. Lehilahy iray atao hoe Nimroda no mpitarika azy ireo. Nataon’Andriamanitra anefa izay tsy hahatanteraka ny fikasan’izy ireo. Nataony nisafotofoto ny fiteniny, ka lasa samy hafa ny fitenin’izy rehetra. Tsy nifankahazo resaka izy ireo, ka nitsahatra ilay fanorenana. Niparitaka ihany àry ny olona.

​—Avy ao amin’ny Genesisy 6:1–11:32; Joda 14, 15.

  • Ahoana no nielezan’ny faharatsiana?

  • Ahoana no nanehoan’i Noa fa tsy nivadika izy?

  • Inona no noraran’Andriamanitra taorian’ny Safodrano?

NIARA-NANDEHA TAMIN’ANDRIAMANITRA

Tsy nanaiky ny fitondran’i Jehovah ny ankamaroan’ny taranak’i Adama sy Eva. Nisy naningana ihany anefa. Tsy nivadika i Abela zanak’izy ireo. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra koa i Enoka sy Noa, izany hoe nanao izay nampifaly azy. (Genesisy 5:22; 6:9) Nifidy an’Andriamanitra ho Mpitondra izy ireny. Nisy lehilahy sy vehivavy maro koa nanao toa azy ireo. Ny olona toy izany no tena asongadina ao amin’ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara