Fizarana 5
Iza no Nihaino An’Andriamanitra Talohan’ny Safodrano ary Iza no Tsy Nihaino Azy?
Nanao ratsy ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Noa. Genesisy 6:5
Niteraka i Adama sy Eva, ary nihamaro ny olona tetỳ an-tany. Nisy anjely nikomy niaraka tamin’i Satana, tatỳ aoriana.
Nanketỳ an-tany izy ireo, ary niova ho olombelona mba hahafahany hanambady vehivavy. Goavana sy natanjaka ary lozabe ny zanak’izy ireo.
Lasa feno mpanao ratsy ny tany. Hoy ny Baiboly: “Be ny faharatsian’ny olona teto an-tany, ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.”
Nihaino an’Andriamanitra i Noa ka nanamboatra sambofiara. Genesisy 6:13, 14, 18, 19, 22
Olona tsara i Noa. Nilaza taminy i Jehovah fa horinganina amin’ny safodrano lehibe ny ratsy fanahy.
Nasainy nanamboatra sambo lehibe, antsoina hoe sambofiara, i Noa. Nasainy nampidirina tao ny fianakavian’i Noa sy ny karazana biby rehetra.
Nampitandrina ny olona i Noa hoe hisy Safodrano, nefa tsy nihaino izy ireo. Ny sasany naneso an’i Noa, ary ny hafa nankahala azy.
Rehefa vita ilay sambofiara, dia nampidirin’i Noa tao ireo biby.