FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 5
  • Notahina i Abrahama sy ny Taranany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Notahina i Abrahama sy ny Taranany
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Genesisy: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Tsy Nanadino An’i Josefa Mihitsy i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 5
Abraham holds the slaughtering knife as Isaac lays on the altar

FIZARANA 5

Notahina i Abrahama sy ny Taranany

Lasa nanan-karena ny taranak’i Abrahama. Niaro an’i Josefa Andriamanitra, tany Ejipta

EFA fantatr’Andriamanitra fa hijaly sy ho faty ilay Zanany tiany indrindra. Ahitana taratra an’izany ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Ahoana no nampisehoany fa ho mafy be aminy ny fahafatesan’io zanany io? Tamin’ny alalan’ny tantaran’i Abrahama sy Isaka zanany.

Tena nanam-pinoana i Abrahama. Efa nampanantena azy Andriamanitra hoe ho avy amin’i Isaka ilay Mpanafaka, na Taranaka, nefa nasainy hanao sorona an’i Isaka indray izy. Nankatò izy satria natoky fa hanangana an’i Isaka amin’ny maty i Jehovah, raha ilaina izany. Niomana hanao sorona ny zanany àry izy. Tamin’izy hamono an’i Isaka iny indrindra anefa, no nisy anjely nirahin’Andriamanitra hisakana azy. Nidera an’io lehilahy tsy nivadika io i Jehovah, noho izy vonona hamoy ny zanany, izay tena tiany tokoa. Naverin’i Jehovah koa ireo fampanantenana efa nolazainy taminy.

Niteraka roa lahy atao hoe Esao sy Jakoba i Isaka. Tsy toa an’i Esao i Jakoba. Nankasitraka ny zava-masina izy, ka novalian-tsoa. Novan’Andriamanitra hoe Israely ny anarany, ary lasa razamben’ireo fokon’ny Israely ny zanany 12 lahy. Ahoana no nahatonga azy ireo ho firenena lehibe?

Noho ny zava-nitranga maromaro. Nialona an’i Josefa zandriny ny ankamaroan’ny zanak’i Jakoba. Namidin’izy ireo ho andevo izy, ary nentina tany Ejipta. Notahin’i Jehovah anefa io tovolahy tsy nivadika sy be herim-po io. Nijaly be izy tany, kanefa nomen’i Farao, mpitondra an’i Ejipta, fahefana lehibe izy tatỳ aoriana. Nety tsara izany, satria naniraka ny zanany hividy sakafo tany i Jakoba, rehefa nisy mosary. I Josefa no niandraikitra ny sakafo rehetra, ka nihaona tamin’ny rahalahiny indray izy. Nifona ireo rahalahiny, ary namela azy ireo izy. Nampihetsi-po tokoa ilay fihaonana! Nasain’i Josefa nifindra tany Ejipta ny fianakaviany manontolo taorian’izay. Nomena ny tany tsara indrindra izy ireo, ka mbola nihamaro sy nihananan-karena. Fantatr’i Josefa fa Andriamanitra no nahatonga ireo zava-nitranga ireo mba hahatanteraka ny fikasany.

Joseph reveals his identity to his brothers

Nijanona tany Ejipta i Jakoba mandra-pahafatiny, ary tany koa ny fianakaviany, izay nihamaro hatrany. Nilaza izy talohan’ny hahafatesany, fa ho avy amin’i Joda zanany ilay Taranaka na Mpanafaka, ary ho Mpanjaka mahery izy io. Naminany koa i Josefa talohan’ny hahafatesany, fa hitondra ny fianakavian’i Jakoba hiala any Ejipta Andriamanitra.

​—Avy ao amin’ny Genesisy 20:1–50:26; Hebreo 11:17-22.

  • Inona no nasain’Andriamanitra nataon’i Abrahama, ary inona no tiany haseho amin’izany?

  • Nahoana i Josefa no lasa tany Ejipta, ary inona no vokatr’izany?

  • Inona no faminaniana nolazain’i Jakoba, talohan’ny hahafatesany?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara