FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 13
  • Mpanjaka Tsara sy Mpanjaka Ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanjaka Tsara sy Mpanjaka Ratsy
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Jona: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Nandefitra Be Tamin’i Jona i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 13
A young Israelite king

FIZARANA 13

Mpanjaka Tsara sy Mpanjaka Ratsy

Nizara roa ny fanjakan’ny Israely. Nisy mpanjaka maro nifandimby tao, ary nivadika tamin’i Jehovah ny ankamaroany. Noravan’ny Babylonianina i Jerosalema tatỳ aoriana

NIALA tamin’ny fivavahana madio i Solomona, ka nizara roa ny fanjakan’ny Israely, araka ny tenin’i Jehovah. Nasiaka be i Rehoboama zanany, izay nandimby azy, ka nikomy ny foko folon’ny Israely. Niforona àry ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Nisy foko roa kosa tsy nivadika tamin’ilay mpanjaka taranak’i Davida tao Jerosalema, ka izy ireo no lasa fanjakan’ny Joda tany atsimo.

Nisy korontana foana tao amin’ireo fanjakana roa ireo. Inona no tena antony? Satria nivadika tamin’i Jehovah sy tsy nankatò azy ny mpanjakan’izy ireo. Ny fanjakana tany avaratra no tena ratsy, satria nampirisika ny vahoaka hanompo andriamani-kafa ny mpanjaka tao. Izany no nitranga hatramin’ny niforonan’ilay fanjakana. Nanao ratsy foana ny vahoaka tao, na dia nanao fahagagana maro aza ireo mpaminany, toa an’i Elia sy Elisa izay nanangana ny maty. Navelan’Andriamanitra horavan’ny Asyrianina ilay fanjakana tany avaratra tamin’ny farany.

Nanao ahoana kosa ny fanjakan’ny Joda? Mpanjakan’ny Joda vitsivitsy monja no nanaiky ny fampitandreman’ireo mpaminany, ka nitaona ny vahoaka hiverina amin’i Jehovah. Nanomboka nanala ny fivavahan-diso tao Joda, ohatra, i Josia Mpanjaka, ary nanavao ny tempolin’i Jehovah. Tena nanohina ny fony koa ny nahitana ny Lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, ka nitondra fiovana bebe kokoa izy.

Mampalahelo fa tsy nanahaka an’io mpanjaka tsara io ireo nandimby azy. Koa na dia naharitra zato taona mahery aza ny fanjakan’ny Joda, raha oharina amin’ny fanjakana tany avaratra, dia nosazin’Andriamanitra koa izy io. Navelan’i Jehovah handresy an’i Joda i Babylona, ka nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Nentina ho babo tany Babylona kosa ireo olona sisa tsy maty, ary nilaza Andriamanitra fa hijanona any 70 taona izy ireo. Nanjary lao ny tanin’ny Joda nandritra izany, mandra-piverin’ny Israelita tany amin’ny taniny, araka ny nampanantenaina.

Tsy nisy taranak’i Davida nanjaka intsony anefa, mandra-pahatongan’ny fanjakan’ny Mesia, ilay Mpanafaka nampanantenaina. Hita fa tsy mahay mitondra ny olombelona tsy lavorary, rehefa jerena ny nataon’ny ankamaroan’ireo mpanjaka taranak’i Davida. Ny Mesia ihany no tena mahay mitondra. Izany no nahatonga an’i Jehovah hiteny toy izao tamin’ilay mpanjaka farany tao Joda: “Tsoahy ny satroboninahitra. ... Tsy ho lasan’iza na iza [izany], mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homeko azy izany.”—Ezekiela 21:26, 27.

​—Avy ao amin’ny 1 Mpanjaka; 2 Mpanjaka; 2 Tantara 10:1–36:23; Jeremia 25:8-11.

  • Ahoana no nahatonga ny fanjakan’ny Israely hizara roa, ary nanao ahoana ireo fanjakana roa ireo?

  • Nahoana no tsy nisy taranak’i Davida nanjaka intsony tao Joda?

  • Inona no toetran’i Jehovah misongadina amin’ny tantaran’i Jona? (Jereo ny efajoro.)

JONA

Efa nizara ny firenen’ny Israely tamin’izay. Nahery setra be ny mponina tao Ninive, tanàna iray lavitra an’ny Israely, ka naniraka an’i Jona ho any Andriamanitra mba hampitandrina azy ireo hoe horinganina izy ireo. Tsy nankany anefa i Jona fa nandray sambo hanalavitra an’i Ninive. Nanao fahagagana àry Andriamanitra, ka nataony izay hahatonga an’i Jona ho voatelin’ny trondro goavam-be iray. Nivavaka tamin’i Jehovah izy tao, ka naloan’ilay trondro teny amin’ny tany maina. Nankany Ninive ihany izy avy eo. Izany no fomba nampianaran’i Jehovah an’i Jona hahay hankatò.

Nisy olana hafa indray anefa: Nitory tamin’ny mponin’i Ninive i Jona, kanefa tsy nanasazy an’ireo olona ireo indray ilay Andriamanitra mpamindra fo, satria nibebaka izy ireo. Tezitra be i Jona nahita izany. Nanao fahagagana hafa àry i Jehovah mba hampianarana azy hamindra fo. Nahoana raha mamaky ny bokin’i Jona mba hahafantaranao an’izany tantara mahaliana izany?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara