FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 21
  • Velona i Jesosy!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velona i Jesosy!
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Sahy Nitory ny Apostoly
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Natsangana Tamin’ny Maty i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Naminany Momba ny Hoavy i Jesosy
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Novonoina i Jesosy Kristy
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 21
Jesus ascends to heaven

FIZARANA 21

Velona i Jesosy!

Niseho tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy, ary nanome toromarika sy nampahery azy ireo

TELO andro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nisy vehivavy anisan’ny mpianany nahita fa efa voakodia ny vato nanarona ny fasany. Tsy nisy na inona na inona koa tao amin’ilay fasana.

Nisy anjely roa nipoitra tamin’izay. Hoy ny iray taminy: ‘Fantatro fa i Jesosy avy any Nazareta no tadiavinareo. Efa natsangana izy.’ (Marka 16:6) Avy hatrany ireo vehivavy dia nihazakazaka nampandre ny apostoly. Nifanena tamin’i Jesosy izy ireo teny an-dalana. Hoy izy: “Aza matahotra! Mandehana milaza amin’ny rahalahiko mba ho any Galilia, fa any no hahitany ahy.”—Matio 28:10.

Tamin’iny andro iny ihany, dia nisy mpianany roa lahy nandeha an-tongotra avy tany Jerosalema ho any Emaosy. Nisy olona iray niara-dalana tamin’izy ireo ka nanontany ny zavatra noresahiny. Nalahelo tarehy izy ireo, sady namaly hoe miresaka momba an’i Jesosy. Nohazavain’ilay olona àry ny hevitry ny teny momba ny Mesia, ao amin’ny Soratra Masina rehetra. Hita tokoa hoe tanteraka tamin’i Jesosy ny tsipiriany rehetra amin’ireo faminaniana momba ny Mesia.a Tsy fantatr’izy roa lahy hoe i Jesosy natsangana tamin’ny maty ilay olona, satria lasa zavaboary ara-panahy izy, ka endrika hafa no nisehoany. Nony takatr’izy roa lahy izany, dia nanjavona i Jesosy.

Nody haingana tany Jerosalema izy roa lahy avy eo. Nivory tao amin’ny trano nihidy ny apostoly tamin’izay. Raha mbola nitantara ny zavatra hitany izy roa lahy, dia niseho indray i Jesosy. Gaga ny mpianany, ka saika tsy nino. Hoy àry izy: ‘Nahoana no manjary misalasala ianareo ao am-ponareo? Efa voasoratra fa hijaly i Kristy ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.’—Lioka 24:38, 46.

Imbetsaka i Jesosy no niseho tamin’ny mpianany, nandritra ny 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Niseho tamin’ny olona 500 mahery aza izy indray mandeha! Tamin’izay angamba izy no naniraka azy ireo hanao izao asa lehibe izao: ‘Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’—Matio 28:19, 20.

Nampanantena toy izao i Jesosy, rehefa niaraka farany tamin’ireo apostoly 11 tsy nivadika: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asan’ny Apostoly 1:8) Nakarina ho any an-danitra i Jesosy taorian’izay, ary saron’ny rahona ka tsy hitan’ireo apostoly intsony.

​—Avy ao amin’ny Matio toko faha-28; Marka toko faha-16; Lioka toko faha-24; Jaona toko faha-20 sy 21; 1 Korintianina 15:5, 6.

a Mba hahitanao ny sasany amin’izany, dia jereo ny Fizarana 14, Fizarana 15, sy ny Fizarana 16 amin’ity bokikely ity, ary ilay fanazavana fanampiny hoe “Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina” ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

  • Ahoana no nahalalan’ny mpianatr’i Jesosy fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy?

  • Inona no nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpianany roa lahy, teny an-dalana ho any Emaosy?

  • Inona no asa nanirahan’i Jesosy ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra?

NY FANAHY MASINA

Ny fanahy masin’Andriamanitra no hery lehibe indrindra. Izy io no nampiasainy rehefa namorona ny lanitra sy ny tany sy rehefa nampanoratra ny Baiboly. Izy io koa no nahafahana nanao ireo fahagagana rehetra noresahintsika, anisan’izany ilay fahagagana lehibe indrindra, dia ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty mba ho lasa zavaboary ara-panahy mahery.—Genesisy 1:2; 2 Samoela 23:2; Asan’ny Apostoly 10:38; 1 Petera 3:18.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara