FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 19
  • Naminany Momba ny Hoavy i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Naminany Momba ny Hoavy i Jesosy
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Velona i Jesosy!
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 19
On the Mount of Olives, Jesus speaks with some of his apostles

FIZARANA 19

Naminany Momba ny Hoavy i Jesosy

Nisy lafin-javatra maromaro nolazain’i Jesosy mba ho famantarana ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka azy sady hamantarana ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity

VAO avy nilaza i Jesosy fa horavana ny tempoly tao Jerosalema. Efa niresaka momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” koa izy, talohan’izay. (Matio 13:40, 49) Eo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy sy ny mpianany izao, ary tazana tsara erỳ ambany i Jerosalema sy ny tempoliny. Nanatona azy mitokana ny apostoliny efatra, ary nanontany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”—Matio 24:3.

Namaly i Jesosy, ary nilaza izay hitranga alohan’ny handravana an’i Jerosalema. Ho tanteraka maneran-tany koa anefa ny teniny, ela be atỳ aoriana. Rehefa miara-miseho ireo zavatra nolazainy, dia izay no famantarana fa efa manomboka manatrika amin’ny maha Mpanjaka azy i Jesosy any an-danitra, izany hoe nomen’i Jehovah azy ilay Fanjakana nampanantenaina hatry ny ela. Izany koa no famantarana fa madiva hanaisotra ny faharatsiana sy hitondra ny tena fandriampahalemana ho an’ny olombelona ilay Fanjakana. Rehefa miseho àry ilay famantarana, dia midika izany fa kely sisa dia hifarana ity tontolo ity (izany hoe ny fivavahan-diso sy ny fikambanana ara-politika ary ny rafitry ny fiaraha-monina ankehitriny), ary efa ho tonga ny tontolo vaovao.

Inona avy no nolazain’i Jesosy fa hitranga eto an-tany mandritra ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka azy? Nilaza izy fa hisy ady iraisam-pirenena, mosary, horohoron-tany lehibe, ary aretina miely patrana. Hitombo ny fandikan-dalàna. Hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny tena mpianany, ary hanao izany maneran-tany. Aorian’izay dia hisy “fahoriana lehibe” izay mbola tsy nisy toa azy.—Matio 24:21.

Ahoana kosa no hahalalan’ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe efa akaiky io fahoriana io? ‘Makà lesona amin’ny aviavy’, hoy i Jesosy. (Matio 24:32) Rehefa misy ravina ny aviavy, dia fantatra avy hatrany hoe akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa fa rehefa miara-mitranga ao anatin’ny fotoana iray ireo zavatra nolazain’i Jesosy, dia ho fantatra avy hatrany hoe akaiky ny farany. Tsy misy afa-tsy ny Ray anefa no mahalala ny andro sy ora hanombohan’ny fahoriana lehibe. Nampirisika ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.”—Marka 13:33.

​—Avy ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25; Marka toko faha-13; Lioka toko faha-21.

  • Inona no tian’ireo apostolin’i Jesosy ho fantatra bebe kokoa?

  • Inona no asehon’ilay famantarana nomen’i Jesosy? Inona no nolazainy fa hitranga eto an-tany?

  • Inona no nampirisihan’i Jesosy ny mpianany?

NY FAMANTARANA NY FANATREHAN’I KRISTY

Nilaza i Jesosy fa hisy famantarana hiseho, rehefa kely sisa dia haringan’Andriamanitra ity tontolo ratsy ity. Nanomboka tanteraka izany tamin’ny Ady Lehibe I. Azo antoka fa hifarana haingana ity tontolo ity, rehefa jerena ny fivoaran’ny toe-draharaha eran-tany, eo amin’ny lafiny politika sy fivavahana ary fiaraha-monina. Nampianarin’i Jesosy ny mpianany fa raha te ho voavonjy izy ireo, dia tsy maintsy ‘miambina hatrany’, ary manao zavatra avy hatrany mba hanohanana ny zon’i Jehovah hitondra.a—Lioka 21:36; Matio 24:3-14.

a Mba hahafantaranao misimisy momba ny faminanian’i Jesosy, dia jereo ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko 9.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara