FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 23
  • Niely ny Vaovao Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Niely ny Vaovao Tsara
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Nalefa Tany Roma i Paoly
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nitory Hatraiza Hatraiza ny Kristianina
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 23
Paul gives a speech in Athens

FIZARANA 23

Niely ny Vaovao Tsara

Nitory tany amin’ny tanàna maro ny apostoly Paoly, ka nanao dia an-tanety sy an-dranomasina

NAZOTO nitory i Paoly rehefa lasa Kristianina. Imbetsaka no tojo fanoherana mafy io mpanohitra taloha io. Nanao dia misionera maromaro izy, ary tsy nety sasatra. Nandeha lavitra izy mba hampiely ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io no hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny olombelona.

Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny i Paoly tao Lystra, tamin’ny dia misionera nataony voalohany. Rehefa nahita izany ny olona dia niantsoantso hoe andriamanitra i Paoly sy Barnabasy namany. Tonga hanolotra fanatitra ho azy ireo koa ny vahoaka, ka saika tsy voasakan’izy roa lahy. Voataonan’ny fahavalon’i Paoly hitora-bato azy indray anefa ny olona, ka tsy nijanona raha tsy noheveriny fa maty i Paoly. Tsy maty anefa izy, ary niverina tao tatỳ aoriana mba hampahery ny mpianatra.

Nisy Kristianina jiosy nanizingizina fa tsy maintsy mankatò ny didy sasany amin’ny Lalàn’i Mosesy ny mpino tsy Jiosy. Noresahin’i Paoly tamin’ny apostoly sy anti-panahy tany Jerosalema izany, ka nandinika tsara ny Soratra Masina izy ireo, ary nanaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina. Nanoratra ho an’ny fiangonana izy ireo avy eo, ka nampirisika azy ireny hifady ny fanompoan-tsampy, ny ra, ny hena tsy nalatsa-dra, ary ny fijangajangana. Ireo no ‘tsy maintsy tandremana’, fa tsy ny Lalàn’i Mosesy.—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Nitsidika an’i Beria, any Gresy ankehitriny, i Paoly tamin’ny dia misionera faharoa. Nazoto nandray ny teny ny Jiosy nipetraka tao, ka nandinika ny Soratra Masina isan’andro mba hahitana raha marina ny fampianaran’i Paoly. Tsy maintsy nifindra tany Atena indray anefa izy noho ny fanoherana. Nanao toriteny mafonja teo anoloan’ireo Atenianina avara-pianarana izy tany. Nihevitra ny fihetseham-pon’ny mpihaino izy, ary nahay nandanjalanja sy nahay nandaha-teny, ka modely ho antsika.

Nankany Jerosalema i Paoly, rehefa vita ny dia misionera fahatelo. Nitaona ny vahoaka hamono azy ny Jiosy sasany, tamin’izy nitsidika ny tempoly. Nisalovana anefa ny miaramila ary namotopototra azy. Nizaka ny zom-pirenena romanina izy, ka afaka niaro tena teo anatrehan’i Feliksa Governora Romanina. Ireo Jiosy kosa tsy afaka nanaporofo ny fiampangany. Saika hanolotra an’i Paoly tamin’ireo indray anefa i Festosy, governora tatỳ aoriana, ka hoy i Paoly: “Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” Namaly i Festosy hoe: “Ho any amin’i Kaisara tokoa ianao.”—Asan’ny Apostoly 25:11, 12.

Roman soldiers help Paul escape an angry mob

Nentina an-tsambo ho any Roma, any Italia, àry i Paoly mba hotsaraina. Vaky sambo anefa izy ireo, ka nijanona tao amin’ny nosy Malta nandritra ny ririnina. Tonga tany Roma ihany izy, ary nipetraka roa taona tao amin’ny trano nohofany. Mbola nitory tamin’izay namangy azy ilay apostoly be zotom-po, na dia nambenan’ny miaramila aza.

​—Avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:22–28:31.

  • Inona no nitranga rehefa nanasitrana lehilahy nalemy tongotra i Paoly tany Lystra?

  • Ahoana no nandaminana ilay raharaha momba ny Lalàn’i Mosesy?

  • Ahoana no nahatonga an’i Paoly tany Roma, ary inona no nataony tamin’izy tany?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara