FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb 101
  • Nalefa Tany Roma i Paoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nalefa Tany Roma i Paoly
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Nandeha Sambo Nankany Roma i Paoly
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Niely ny Vaovao Tsara
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb 101
Paul and others swim or float on pieces of a ship wrecked off the Malta coast

LESONA 101

Nalefa Tany Roma i Paoly

Nankany Jerosalema i Paoly, rehefa avy nitory tany amin’ny faritra maro. Nosamborina izy tany ary nogadraina. Indray alina, dia nahita an’i Jesosy tao amin’ny fahitana izy. Hoy i Jesosy taminy: ‘Andeha ho any Roma ianao, ary hitory any.’ Nafindra tany Kaisaria i Paoly tatỳ aoriana, dia nigadra tany roa taona. Dia hoy izy rehefa notsarain’i Festosy Governora: ‘Aleo izaho tsarain’i Kaisara any Roma.’ Dia hoy i Festosy: ‘Eny àry. Hotsarain’i Kaisara izany ianao.’ Dia nalefa sambo ho any Roma i Paoly, ary niaraka taminy i Lioka sy Aristarko.

Nisy rivo-mahery anefa teny afovoan-dranomasina. Naharitra ela ilay izy ka tsy nieritreritra ny ho velona intsony ny olona tao amin’ilay sambo. Hoy anefa i Paoly: ‘Nisy anjely niresaka tamiko tao amin’ny nofy hoe: “Aza matahotra ry Paoly! Ho tonga any Roma ianao, ary tsy hisy ho faty ny olona ato anaty sambo.” Aza matahotra ianareo fa tsy ho faty isika.’

Naharitra 14 andro ilay rivo-mahery. Nahatazana ny nosy Malta anefa ry zareo rehefa ela ny ela. Rehefa nanakaiky an’ilay nosy ilay sambo, dia nidona tamin’ny fasika ka potika. Tody teny an-tanety anefa ireo olona 276 tao. Nisy nilomano ary nisy kosa nitazona tamin’ny potik’ilay sambo. Dia nikarakara an-dry zareo ny olona tao Malta, ary nandrehitra afo mba hampahafana an-dry zareo.

Nentin’ny miaramila tamin’ny sambo hafa i Paoly, telo volana taorian’izay. Nitsena azy ny mpiara-manompo rehefa tonga tany Roma izy. Nisaotra an’i Jehovah izy rehefa nahita an-dry zareo, ka tsy natahotra be intsony. Navela hanofa trano i Paoly, nefa nisy miaramila niambina azy satria mbola gadra izy. Nijanona tao roa taona izy. Niresahany momba an’i Jesosy sy ny Fanjakan’Andriamanitra izay olona tonga nitsidika azy. Nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana tany Azia Minora sy Jodia koa izy. Tena nampiasain’i Jehovah hitory ny vaovao tsara tamin’ny firenena be dia be tokoa i Paoly.

“Mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay amin’ny lafiny rehetra, dia amin’ny fiaretana be, amin’ny fahoriana, amin’ny tsy fisiana, amin’ny zava-tsarotra.”—2 Korintianina 6:4

Fanontaniana: Nahoana i Festosy no nandefa an’i Paoly tany Roma? Inona no nitranga teny an-dalana rehefa nankany Roma i Paoly?

Asan’ny Apostoly 21:30; 23:11; 25:8-12; 27:1–28:31; Romanina 15:25, 26

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara