HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 27-28
Nandeha Sambo Nankany Roma i Paoly
Nitory foana i Paoly na dia gadra aza. Nitory tamin’ireo niray sambo taminy, ohatra, izy. Azo inoana hoe nitory tamin’ireo olona nositraniny koa izy, rehefa vaky sambo tao Malta izy ireo. Vao tonga telo andro tany Roma izy dia efa niantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy, mba hahafahany hitory tamin’izy ireo. Nitory tamin’izay rehetra nitsidika azy koa izy, nandritra ny roa taona, rehefa nambenana tao amin’ny trano iray.
Marary angamba ianao, na migadra, na efa nahazoazo taona, ka voafetra ny fanompoana vitanao. Inona anefa no azonao atao mba hitoriana ny vaovao tsara?