FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb 28
  • Niteny Ilay Ampondra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Niteny Ilay Ampondra
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nomery: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb 28
Balaam’s donkey lies down on the road when it sees God’s angel

LESONA 28

Niteny Ilay Ampondra

Efa 40 taona teo ho eo ny Israelita no tany amin’ilay tany karakaina. Be dia be ny tanàna efa resin-dry zareo. Tonga teo amin’ny lemak’i Moaba, teo atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, ry zareo, ary efa hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Natahotra be i Balaka mpanjakan’i Moaba hoe ho lasan’ny Israelita daholo ny taniny. Nasainy nankany Moaba àry ny lehilahy anankiray antsoina hoe Balama, mba hanozona ny Israelita.

Hoy anefa i Jehovah tamin’i Balama: ‘Tsy mahazo manozona ny Israelita ianao.’ Tsy nety nankany Moaba àry i Balama. Nasain’i Balaka indray izy ho any aminy, sady noteneniny hoe homeny izay rehetra tiany. Mbola tsy nety nandeha ihany i Balama. Farany, dia hoy Andriamanitra taminy: ‘Mahazo mandeha àry ianao, fa izay asaiko teneninao ihany no hoteneninao.’

Notaingenan’i Balama ny ampondrany, dia lasa izy nianatsimo nankany Moaba. Te hanozona ny Israelita izy, nefa efa tsy navelan’i Jehovah hanao an’izany. Nisy anjelin’i Jehovah àry nisakana azy intelo. Tsy hitan’i Balama ilay anjely, fa hitan’ny ampondrany. Nivily nankeny amin’ny saha ilay ampondra tamin’ny voalohany. Avy eo ilay izy nitampify tamin’ny tamboho vato ka tery tao ny tongotr’i Balama. Farany dia nitokona tsy nety nandeha ilay ampondra. Nataon’i Balama maty kapoka ilay ampondra tamin’izay.

Nataon’i Jehovah niteny ilay ampondra tamin’ny farany. Hoy ilay izy tamin’i Balama: ‘Fa maninona aho no kapohinao foana?’ Hoy i Balama: ‘Tena manala baraka an’ahy ianao. Raha nanana sabatra aho dia novonoiko ianao.’ Hoy ilay ampondra: ‘Izaho foana no ampondranao hatramin’izay. Dia efa nanao hoatr’izao taminao ve ’zaho?’

Nataon’i Jehovah nahita an’ilay anjely amin’izay i Balama. Hoy ilay anjely: ‘Efa notenenin’i Jehovah ianao hoe tsy mahazo manozona ny Israelita.’ Dia hoy i Balama: ‘Tena diso aho. Fa aleo àry aho hiverina hody e!’ Hoy anefa ilay anjely: ‘Mahazo mankany Moaba ianao, fa izay asain’i Jehovah teneninao ihany no azonao tenenina.’

Tsy nankatò an’i Jehovah i Balama, fa mbola nitady hanozona ny Israelita intelo ihany. Navadik’i Jehovah ho tsodrano anefa ilay ozona. Notafihin’ny Israelita i Moaba tatỳ aoriana, ary maty koa i Balama. Hoatr’izay izy tsy maty raha nankatò an’i Jehovah hatramin’ny voalohany!

“Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15

Fanontaniana: Nahoana i Balama no nankany Moaba? Inona no nitranga teny an-dalana?

Nomery 22:1–24:25; 31:8; Nehemia 13:2; 2 Petera 2:15, 16; Joda 11

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara