FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb 52
  • Ny Tafik’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tafik’i Jehovah
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • 2 Mpanjaka: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Betsaka ny Miaraka Amintsika Noho ny Miaraka Amin’izy Ireo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb 52
Elisha and his attendant surrounded by the Syrian army

LESONA 52

Ny Tafik’i Jehovah

Nanafika ny Israely foana i Beni-hadada mpanjakan’i Syria. Tsy nahavoa mihitsy anefa izy, satria isaky ny hanafika izy dia notenenin’i Elisa mpaminany mialoha ny mpanjakan’ny Israely. Te hisambotra an’i Elisa àry i Beni-hadada. Fantany hoe nipetraka tany Dotana i Elisa, ka nandefa miaramila syrianina tany izy hisambotra azy.

Tonga alina tao Dotana ny Syrianina. Rehefa nifoha maraina ny mpiasan’i Elisa, dia nahita miaramila syrianina be dia be nanodidina ny tanàna. Natahotra be izy ka niantsoantso hoe: ‘Elisa a, inona no hataontsika?’ Dia hoy i Elisa: ‘Ao fa betsaka lavitra ny miaraka amintsika noho ny miaraka amin-dry zareo.’ Nataon’i Jehovah hitan’ilay mpiasan’i Elisa hoe feno soavaly sy kalesy afo ny tendrombohitra nanodidina ny tanàna.

Elisha and his attendant see the angelic army surrounding them

Rehefa hisambotra an’i Elisa ny Syrianina, dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, ataovy jamba ry zareo.’ Tsy hoe lasa tena jamba akory ry zareo, fa lasa tsy fantany ny toerana nisy azy. Dia hoy i Elisa tamin-dry zareo: ‘Tsy ity ilay tanàna tokony halehanareo. Andao dia hatoroko anareo ilay olona tadiavinareo.’ Nanaraka an’i Elisa hatrany Samaria àry ry zareo, nefa tany no nipetraka ny mpanjakan’ny Israely.

Tonga saina ihany ny Syrianina saingy efa tara loatra. Hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Elisa: ‘Hovonoiko ve ireo?’ Namaly faty an’ireo Syrianina ireo ve i Elisa? Hoy izy: ‘Aza vonoina izany ry zareo. Omeo sakafo izy dia asaivo mody.’ Nanaovan’ny mpanjaka fety be àry ry zareo, dia nalefany nody.

Syrian soldiers eat a meal in Samaria

“Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14

Fanontaniana: Ahoana no niarovan’i Jehovah an’i Elisa sy ilay mpiasany? Afaka miaro anao koa ve i Jehovah?

2 Mpanjaka 6:8-24

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara