Fampidirana ny Fizarana 8
Nataon’i Jehovah tena hendry i Solomona. Izy koa no nofidiny hanamboatra ny tempoly. Niala tsikelikely tamin’i Jehovah anefa izy. Hazavao amin’ny zanakao hoe olona mpanompo sampy no nitarika azy hanao an’izany. Lasa nizara roa ny fanjakany, ary nisy mpanjaka ratsy fanahy nitarika ny vahoaka hanompo sampy. Be dia be ny mpaminanin’i Jehovah nenjehina sy novonoina tamin’izany. Vao mainka nanompo sampy be ny fanjakana tany avaratra, rehefa nanambady an’i Jezebela ny mpanjaka. Ratsy be ny fiainana tany tamin’izany. Mbola nisy Israelita tsy nivadika tamin’i Jehovah ihany anefa, anisan’izany i Josafata Mpanjaka sy Elia mpaminany.