HIRA 28
Te ho Namanao Izahay, Jehovah
Endrika Sary
1. Iza, Jehovah ô,
Iza no fidinao
Mba hivahiny ao an-tranonao?
Iza no namanao?
’Zay tena mino anao,
Ny Teninao no tiany;
Manao ny rariny, azo itokiana,
Dia ’zay tsy misy tsiny.
2. Iza, Jehovah ô,
Iza no ekenao?
Iza no tianao ho namanao
Akaikin’ny fonao?
’Zay tia ny anaranao,
Tsotra, madio am-po,
Tsy mba mandainga, miantra ny ory
Sy vonona hankatò.
3. ’Zahay, Jehovah ô,
Mba te ho akaiky anao.
’Zay ao am-ponay, ny fiainanay,
Zarainay aminao.
Namana tsara ianao,
Tsara indrindra ho anay.
Fanirianay ny ho namanao,
Eny, mandrakizay.
(Jereo koa ny Sal. 139:1; 1 Pet. 5:6, 7.)