NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ry Tanora, i Jehovah ve no Namanareo Akaiky Indrindra?
Inona no toetra tianao hananan’ny namanao? Tianao angamba raha tsy mivadika aminao izy, tsara fanahy, ary tia manome. Manana an’ireo toetra rehetra ireo i Jehovah. (Ek 34:6; As 14:17) Mihaino izy rehefa mivavaka aminy ianao. Eo foana izy rehefa mila fanampiana ianao. (Sl 18:19, 35) Mamela ny fahadisoanao koa izy. (1Jn 1:9) Aiza indray ianao no hahita Namana tsara hoatr’izany?
Inona no azonao atao raha te ho naman’i Jehovah ianao? Vakio ny Teniny mba hahafantaranao azy. Resaho aminy izay ao am-ponao. (Sl 62:8; 142:2) Asehoy hoe zava-dehibe aminao izay zava-dehibe aminy, ohatra hoe ny Zanany, ilay Fanjakany, ary ny fampanantenany momba ny hoavy. Resaho amin’ny hafa ny momba azy. (De 32:3) Raha miezaka ny hifandray akaiky amin’i Jehovah ianao, dia ho Namanao mandrakizay izy.—Sl 73:25, 26, 28.
JEREO ILAY VIDEO HOE RY TANORA,“ANDRAMO KA JEREO FA TSARA I JEHOVAH.” VALIO IRETO AVY EO:
Inona no azonao atao mba ho vonona hanokan-tena sy hatao batisa ianao?
Inona no azon’ny hafa atao mba hanampiana anao hanompo an’i Jehovah?
Nahoana ny fanompoana no manampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah?
Afaka ny ho naman’i Jehovah mandrakizay ianao!
Inona avy ny karazana fanompoana azonao atao?
Inona no tena itiavanao an’i Jehovah?