HIRA 78
‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’
Endrika Sary
1. Raha tianao ny ho finaritra,
Hahita harena maro,
Ny Tenin’Andriamanitra,
Torio sy ampianaro.
Kristy nahay nampianatra,
Nanohina ny fo.
Ampio ho akaiky an’i Jehovah
’Reo mpianatrao tso-po.
2. Tandremo tsara ihany koa
Ny atao sy ny fiteny,
Modely ho an’ny mpianatrao,
Harahin’izy ireny.
Manaova fikarohana
F’aza matoky tena.
Ao amin’ny Baiboly ihany
No misy tena harena.
3. Ny tena fahamarinana,
Izay no asongadino.
Dia manehoa fitiavana,
Ny vavaka aza hadino.
Efa eo daholo izay ilaina,
Ampiasao am’izay,
’Lay mpianatrao handroso dia ho
Mpampianatra mahay.
(Jereo koa ny Sal. 119:97; 2 Tim. 4:2; Tit. 2:7; 1 Jaona 5:14.)