HIRA 162
‘Mila Anao’ Aho, Jehovah
1. Nataonao tao am-ponay
Hoe ‘mila anao’ ’zahay, ry Ray.
Mba te hahalala ny antom-pisiana,
Ny ho afa-po no irina.
’Lay Boky iray sarobidy
Manome fanalahidy:
Dia fifaliana, fiadanan-tsaina,
Sy hoavy handrandraina.
(FIVERENANA)
Androany, mivoady aho, Jehovah,
Hoe tena hanao ’zay sitrakao,
Handray ’zay omenao koa
Mba tena ho afa-po
Ilay hetaheta
Te hahalala anao.
2. Ray ô, hakako fotoana,
Dia hosaintsainiko foana
Ireo sakafo ara-panahy
Izay mamelona ahy.
Dia raha toa misy any ho any
Tsy mba miraika amin’izany,
Ny fony re sokafy koa,
Am’ ’zay izy handray soa.
(FIVERENANA)
Androany, mivoady aho, Jehovah,
Hoe tena hanao ’zay sitrakao,
Handray ’zay omenao koa
Mba tena ho afa-po
Ilay hetaheta
Te hahalala anao.
Androany, mivoady aho, Jehovah,
Hoe tena hanao ’zay sitrakao,
Handray ’zay omenao koa
Mba tena ho afa-po
Ilay hetaheta
Te hahalala anao.
Androany, mivoady aho, Jehovah,
Hoe tena hanao ’zay sitrakao,
Handray ’zay omenao koa
Mba tena ho afa-po
Ilay hetaheta
Te hahalala anao.
(Jereo koa ny Sal. 1:1, 2; 112:1; 119:97; Isaia 40:8; Mat. 5:6; 16:24; 2 Tim. 4:4.)