HIRA 140
Tonga Ihany Ilay Fiainana Mandrakizay!
- 1. Etsy ange, mba saintsaino hoe - Mpianakavy miara-paly, - Tsisy hoe marary, lavorary. - Dify izay nampijaly! - (FIVERENANA) - Hirao sy kaloy foana, - Saintsaino ilay fotoana. - F’indray andro any, ho avy izany, - Dia io fa tonga ihany! 
- 2. ’Reo be taona, mba nanahoana? - Efa niova tsy toy ’zany. - Tsara tarehy, kanto anie, - Endrey ny hatanorany! - (FIVERENANA) - Hirao sy kaloy foana, - Saintsaino ilay fotoana. - F’indray andro any, ho avy izany, - Dia io fa tonga ihany! 
- 3. Paradisa no iainantsika, - Ka Jehovah no derao. - Raha mbola miaina, velon’aina, - Izy no ankasitraho! - (FIVERENANA) - Hirao sy kaloy foana, - Saintsaino ilay fotoana. - F’indray andro any, ho avy izany, - Dia io fa tonga ihany! 
(Jereo koa ny Joba 33:25; Sal. 72:7; Apok. 21:4.)