HIRA 159
Voninahitra Anie ho An’i Jehovah!
- 1. Jehovah Ray, ’lay Avo Indrindra, - Mba iza no toa anao? - Inona re no mba hataoko - Ho setrin’ny fitiavanao? - Raha mba miandrandra aho dia mahita - Hoe voninahitra sy hery - No tafianao, nefa anie aho - Iantranao, ampianao tsy ho very. - (FIVERENANA) - Jehovah ô, ’ty hira hiraiko ity, - Hira hiderako anao. - Lehibe ianao, Mpanjaka ho doria. - Voninahitra ho anao, - R’ilay Ray ao ambony ao! 
- 2. ’Zay mombamomba ahy, Jehovah, - Foiko hiderana anao. - Dodona erỳ aho ’ndeha hizara - Ny hatsaranao, ny asanao. - Tombontsoa sy rehareha ho ahy - Ny hoe manompo anao, Ray. - Ianao ampinga hampahery ahy, - Mpitondra ahy ho mandrakizay. - (FIVERENANA) - Jehovah ô, ’ty hira hiraiko ity, - Hira hiderako anao. - Lehibe ianao, Mpanjaka ho doria. - Voninahitra ho anao, - R’ilay Ray ao ambony ao! 
- 3. Na ny eny ambony na ny ambany - Mahafaly fo, mahasondriana: - Volana, kintana, masoandro, - Sy ranomasimbe mahavariana. - Ianao dia tia, mahay sy hendry, - ’Zay no asehon’ireo. - Mendrika anao ny hankalazaina, - Nahoana aho no tsy hanandram-peo? - (FIVERENANA) - Jehovah ô, ’ty hira hiraiko ity, - Hira hiderako anao. - Lehibe ianao, Mpanjaka ho doria. - Voninahitra ho anao, - R’ilay Ray ao ambony ao! 
(Jereo koa ny Sal. 96:1-10; 148:3, 7.)