HIRA 110
“Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah”
1. ’Lay Fanjakana izao efa mitondra,
Ny famantarana efa eo.
Koa mitrakà, satria efa tsy ho ela
Ny fanafahana anareo!
(FIVERENANA)
Fiarovana mafy ho antsika
Ny fifaliana avy ao am-po.
Koa rehefa manompo an’i Jehovah Ray,
Mifalia hatrany, miravoa!
Lehibe ny anaran’i Jehovah;
Derao ilay Mpanjakantsika!
Fiarovana mafy omen’ny Ray tokoa
Ilay fifaliana avy ao am-po.
2. Koa matokia, miandrasa an’i Jehovah,
Ary hadinoy ’reo fanahiana.
Mahery anie ’lay Andriamanitsika;
Manaova hiram-pifaliana!
(FIVERENANA)
Fiarovana mafy ho antsika
Ny fifaliana avy ao am-po.
Koa rehefa manompo an’i Jehovah Ray,
Mifalia hatrany, miravoa!
Lehibe ny anaran’i Jehovah;
Derao ilay Mpanjakantsika!
Fiarovana mafy omen’ny Ray tokoa
Ilay fifaliana avy ao am-po.
(Jereo koa ny 1 Tan. 16:27; Sal. 112:4; Lioka 21:28; Jaona 8:32.)