LESONA 6
Hazavao Tsara Izay Andinin-teny Ampiasainao
Jaona 10:33-36
AHOANA IZANY? Aza vakina fotsiny ilay andininy, fa ataovy mazava tsara hoe inona no ifandraisany amin’ilay hevitra resahinao.
INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?
Atoroy hoe inona avy ny teny mifandray amin’ny hevi-dehibe. Rehefa avy mamaky andinin-teny ianao, dia avereno vakina izay teny mifandray amin’ilay hevi-dehibe tianao horesahina, na anontanio an’ilay olona.
Asongadino ny hevi-dehibe. Raha efa noresahinao kely ilay hevi-dehibe talohan’ny namakianao an’ilay andininy, dia hazavao amin’izay ilay izy izao. Ampiasao ireo teny mifandray aminy, rehefa manazava ianao.
Ataovy tsotra ny fanazavanao. Aza miresaka hevitra tsy tena ilaina. Mety ho efa mahafantatra momba an’ilay foto-kevitra resahinao ihany mantsy ilay olona. Izay hevitra tena hampahazava tsara an’ilay izy resahina.