LESONA 18
Miresaha Zavatra Mahaliana sy Mahasoa
1 Korintianina 9:19-23
AHOANA IZANY? Miresaha hevitra manaitra ny sain’ny olona, dia ho faly izy hoe lasa nahalala zavatra mahaliana sady mahasoa.
INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?
Fantaro aloha hoe inona no efa hainy. Raha foto-kevitra efa hainy ilay horesahinao, dia miresaha zava-baovao momba an’ilay izy, fa aza mamerina fotsiny an’izay efa fantany.
Mitadiava zavatra mahaliana horesahina. Azo atao, ohatra, ny miresaka vaovao farany na zavatra tsy fahenon’ny olona, rehefa hanazava hevi-dehibe. Diniho tsara anefa aloha ilay izy, sao dia tsy mifandray amin’ilay hevitra horesahinao akory.
Porofoy hoe mahasoa ilay hevitra resahinao. Miresaha zavatra fanaon’ny olona, na toe-tsaina ananany, na zavatra iainany, dia hazavao hoe misy torohevitra momba an’ilay izy ao amin’ny Baiboly.