FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • CO-pgm20 8
  • Fanazavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanazavana
  • Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FIVORIANA MANOKANA
  • Fanazavana
    Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2024
  • Fanazavana
    Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023
  • Fanazavana
    Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2019
  • Fanazavana
    Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2025
Hijery Hafa
Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020
CO-pgm20 8

Fanazavana

ASA AN-TSITRAPO Raha te hanampy amin’ny asa mifandray amin’ny fivoriambe ianao, dia iangaviana mba hanatona ny Sampan-draharahan’ny Filan-kevitra sy Asa An-tsitrapo.

BATISA Eo anoloan’ny lampihazo ny toerana voatokana ho an’ireo hatao batisa, raha tsy misy fiovana. Tokony ho efa eo amin’ny toerana natokana ho azy izay rehetra hatao batisa, alohan’ny hanombohan’ny lahatenin’ny batisa, ny asabotsy maraina. Tokony hitondra servieta izy ireo, dia hitondra fitafiana maotina mba hanaovany rehefa hatao batisa izy.

FANOMEZANA Tena betsaka ny fandaniana natao mba hahatonga ny fivoriambe hahafinaritra sy hanampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah. Anisan’izany ny fikarakarana ny seza, ny fanamafisam-peo, ny efijery, ary ny maro hafa. Manampy hanonerana an’izany fandaniana izany ny fanomezana an-tsitrapo ataonao sady mampandroso ny asa maneran-tany. Nametrahana boaty maromaro ao amin’ny toerana anaovana fivoriambe, amin’izay mora aminao ny manao fanomezana. Azonao atao koa ny manao fanomezana ao amin’ny donate.jw.org. Tena ankasitrahana ny fanomezana rehetra. Misaotra anao ny Filan-kevi-pitantanana, noho ianao tia manome ka mampandroso ny asan’ilay Fanjakana.

FITSABOANA VONJIMAIKA Tadidio fa izay mila fitsaboana vonjimaika ihany no karakaraina ao.

MPIKARAKARA NY MPANATRIKA Notendrena hanampy anao ireo mpikarakara ny mpanatrika. Iangaviana ianao hiara-miasa tsara aminy, ka hanaraka ny toromarika omeny momba ny fametrahana fiara, ny fandaminana ny mpanatrika, ny famandrihan-toerana, sy ny sisa.

TOERANA Iangaviana ianao mba hihevitra ny hafa. Tadidio fa ny fianakavianao akaiky, na ireo miray fiara na miray trano aminao, na ny olona ampianarinao Baiboly ihany no azonao amandrihana toerana. Aza ametrahana entana izay toerana tsy nofandrihanao.

ZAVATRA VERY SY HITA Tokony hoentina any amin’ny Sampan-draharahan’ny Zavatra Very sy Hita ny zavatra hita rehetra, raha tsy fantatra ny tompony. Manatòna an’io sampan-draharaha io raha very zavatra ianao. Tokony hoentina any koa ny zaza very. Iangaviana anefa ianao mba hanara-maso ny zanakao mba tsy hisy hiady saina tsy amin’antony. Aza avela hisaraka aminao izy ireo.

FIVORIANA MANOKANA

One of Jehovah’s Witnesses preaching to a woman.

Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana Hisy fivoriana hatao ho an’izay te hanatrika an’io sekoly io ny alahady tolakandro. Hasaina ho tonga amin’izany ny mpisava lalana 23 taona ka hatramin’ny 65 taona, ary maniry hampitombo ny fanompoany. Hampahafantarina mialoha ny toerana sy ny fotoana hanaovana an’io fivoriana io.

Alamin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah

© 2020 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara