HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | TITOSY–FILEMONA
Nasaina Nanendry Anti-panahy Izy
Nasaina ‘nanendry anti-panahy isan-tanàna’ i Titosy. Io modely io no arahina amin’izao, ka ny mpiandraikitra ny faritra no manendry ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana.
FILAN-KEVI-PITANTANANA
Manaraka an’ilay modely tamin’ny taonjato voalohany ny Filan-kevi-pitantanana. Ny mpiandraikitra ny faritra àry no asain’izy ireo manendry ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana.
MPIANDRAIKITRA NY FARITRA
Tokony handinika tsara ny fanolorana voarainy avy amin’ny anti-panahy ny mpiandraikitra ny faritra, sady hivavaka momba an’ilay izy. Hanendry an’ireo mahafeno fepetra izy avy eo.
ANTI-PANAHY VOATENDRY
Na dia efa voatendry aza ny anti-panahy, dia mbola tokony hahafeno fepetra foana.