NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hainao ve ny Manazava ny Zavatra Inoanao?
“Maninona ianao no mino fa misy ny Mpamorona?” Inona no hanampy anao hamaly an’izany fanontaniana izany? Voalohany, ianao mihitsy aloha no mila resy lahatra hoe tena misy ny Mpamorona. (Ro 12:1, 2) Faharoa, eritrereto hoe ahoana no hanazavanao ny zavatra inoanao amin’ny hafa.—Oh 15:28.
JEREO IRETO VIDEO IRETO: MANAZAVA NY FINOANY ILAY MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY TAOLANA, MANAZAVA NY FINOANY ILAY MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY BIBY. ASEHO AO AMIN’IZY IREO HOE NAHOANA NY HAFA NO MINO HOE MISY NY MPAMORONA. VALIO IRETO AVY EO:
Nahoana i Irène Hof Laurenceau no mino ny famoronana fa tsy ny evolisiona?
Nahoana i Yaroslav Dovhanych no mino ny famoronana fa tsy ny evolisiona?
Ahoana no hanazavanao amin’ny hafa hoe nisy namorona izao rehetra izao?
Isika mihitsy aloha no mila resy lahatra hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra, ary mila haintsika ny manazava an’izany amin’ny hafa. Inona amin’ireo boky, lahatsoratra, na video navoakan’ny fandaminana no afaka manampy antsika amin’izany?