NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Miezaha Hanetry Tena: Aza Midera Tena
Manambony tena ny olona iray raha midera tena sy tia sehoseho. Tsy mampahery ny hafa ny olona hoatr’izany. Mampirisika antsika àry ny Baiboly hoe: “Aoka ny vahiny no hidera anao fa tsy ny vavanao.”—Oh 27:2.
JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY NAMANAO I JEHOVAH: MANETRE TENA. VALIO IRETO AVY EO:
Inona matetika no mampirehareha ny olona?
Inona ny zavatra nampirehareha an’i Kaleba?
Nampian’ny dadany i Kaleba mba hahita hoe ilaina ny manetry tena. Ahoana no nataony?
Nahoana ny 1 Petera 5:5 no manampy antsika hanetry tena?