NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Aza Mivadika fa Efa Akaiky ny Farany
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Tsy ho ela dia hisy zava-mitranga miavaka eto an-tany. Tokony ho be herim-po sy hitoky amin’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay isika amin’io fotoana io. Hanomboka ny fahoriana lehibe rehefa haringana ny fivavahan-diso. (Mt 24:21; Ap 17:16, 17) Hikorontana be ny fiainana amin’izany, nefa isika mbola mety hitory didim-pitsarana. (Ap 16:21) Hanafika antsika koa i Goga avy any Magoga. (Ezk 38:10-12, 14-16) Hanao zavatra anefa i Jehovah, ka hanomboka ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Ap 16:14, 16) Hanana herim-po hiatrehana an’ireo isika amin’ny hoavy, raha dieny izao dia efa tsy mivadika rehefa iharam-pitsapana.
INONA NO TOKONY HATAO?
Araho foana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena, na dia tsy mora aza izany.—Is 5:20
Manompoa an’i Jehovah foana miaraka amin’ny mpanompony.—He 10:24, 25
Tonga dia araho izay toromarika omen’ny fandaminana.—He 13:17
Saintsaino hoe ahoana no namonjen’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny lasa.—2Pe 2:9
Mivavaha amin’i Jehovah ary matokia azy.—Sl 112:7, 8
JEREO ILAY VIDEO HOE MILA MANANA HERIM-PO ISIKA—AMPAHANY. VALIO IRETO AVY EO:
Nahoana no niharam-pitsapana ny mpitory tao amin’ny fiangonana iray, rehefa nakambana tamin’ny fiangonana hafa ny fiangonana nisy azy ireo?
Nahoana isika no lasa be herim-po rehefa zatra mankatò?
Nahoana isika no mila herim-po rehefa tonga ny Hara-magedona?
Dieny izao isika dia efa mila herim-po mba ho afaka hiatrika an’ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy
Inona ny tantara ao amin’ny Baiboly manampy antsika hatoky fa mahavita mamonjy antsika i Jehovah?—2Ta 20:1-24