NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Midera An’i Jehovah Ianao Raha Manao Mpisava Lalana
Nidera an’i Jehovah ny Israelita, satria nanao zavatra niavaka ho azy ireo izy. Nanafaka azy ireo avy tany Ejipta izy, ary namonjy azy ireo tamin’ny tafik’i Farao. (Ek 15:1, 2) Mbola manao soa ho an’ny vahoakany foana i Jehovah. Ahoana àry no azonao ampisehoana hoe mankasitraka azy ianao?—Sl 116:12.
Afaka manao mpisava lalana mpanampy na maharitra ianao. Mivavaha mba hanana faniriana sy hery hanaovana mpisava lalana. (Fi 2:13) Mpitory maro no manandrana manao mpisava lalana mpanampy aloha. Afaka mifidy ny hameno 30 na 50 ora ianao, mandritra ny volana Martsa sy Aprily ary mandritra ny volana itsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Rehefa manandrana manao mpisava lalana mpanampy ianao ka hitanao hoe tena mahafaly ilay izy, dia mety ho tianao ny ho lasa mpisava lalana maharitra. Misy olona miasa tontolo andro na tsy dia salama, nefa mbola afaka manao mpisava lalana maharitra. (mwb16.07 8) Na inona na inona ezaka ataontsika mba hiderana an’i Jehovah, dia mendrika ny hanaovana an’izany izy.—1Ta 16:25.
JEREO ILAY VIDEO HOE IZY TELO MIRAHAVAVY ANY MONGOLIA, ARY VALIO IRETO:
Inona ny olana tsy maintsy noresen’izy telo mirahavavy, mba hahafahan’izy ireo manao mpisava lalana?
Inona no fitahiana azon’izy ireo?
Inona ny karazana fanompoana lasa azon’izy ireo natao, rehefa nanao mpisava lalana maharitra izy ireo?
Tena ohatra tsara izy ireo. Inona no vokatr’izany tamin’ny hafa?