NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Be Fitiavana Isika Raha Manohana ny Famaizan’i Jehovah
Fomba iray anafaizana ny mpanao ratsy ny fandroahana, sady miaro ny fiangonana. (1Ko 5:6, 11) Rehefa misy olona voaroaka dia maro no malahelo, anisan’izany ny havany sy ireo anisan’ny komity mpitsara. Be fitiavana anefa isika raha manohana an’io fandaharana avy amin’i Jehovah io. Nahoana?
Asehontsika hoe tiantsika i Jehovah, ka te hiaro ny lazany sy ny fahamasinany isika. Izany no zava-dehibe indrindra. (1Pe 1:14-16) Ho hita koa hoe tiantsika ilay olona voaroaka. Na mafy aza mantsy ny fandroahana, dia ‘hitondra vokatra hiadanana izany, ary ny fahamarinana izany vokatra izany.’ (He 12:5, 6, 11) Misakana ny famaizan’i Jehovah isika, raha mifanerasera amin’ny olona voaroaka na niala an-tsitrapo. Tadidio fa “araka ny antonony” ny famaizan’i Jehovah. (Je 30:11) Manantena foana isika hoe mbola hiverina amin’ilay Raintsika be famindram-po izy. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia hanohana an’ilay fandaharan’i Jehovah foana isika, ary hanao zavatra ara-panahy tsy tapaka.—Is 1:16-18; 55:7.
JEREO ILAY VIDEO HOE AZA MIVADIKA FA MANOMPOA AMIN’NY FO MANONTOLO, ARY VALIO IRETO:
Inona no tsapan’ny ray aman-dreny rehefa miala amin’i Jehovah ny zanany?
Inona no azon’ny fiangonana atao mba hampaherezana ny fianakavian’ilay voaroaka?
Inona ny tantara ao amin’ny Baiboly manamarina fa ny tsy fivadihana amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe kokoa amintsika?
Ahoana no ampisehoantsika hoe ny tsy fivadihana amin’i Jehovah no zava-dehibe kokoa amintsika noho ny tsy fivadihana amin’ny fianakaviantsika?