HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Hita tao Amin’ny Lalàna hoe Miahy ny Mahantra i Jehovah
Nampian’ny Israelita mpiray firenena aminy ny mahantra sy ny tsy manana lova (De 14:28, 29; it “Ampahafolon-karena”: “Lalàn’i Mosesy momba ny ampahafolon-karena” § 4)
Afaka amin’ny trosany izay Israelita nananan’ny rahalahiny vola, rehefa taona sabata (De 15:1-3; it “Sabata, Taona” § 4)
Raha nivarotra ny tenany ho andevo ny Israelita iray, dia afahana izy amin’ny taona fahafito anompoany ary omen’ny tompony fanomezana (De 15:12-14; it “Mpanompo, Andevo”: “Talohan’i Kristy” § 4)
SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no azoko atao mba hanampiana mpiara-manompo sahirana?’